Dikan'ny teny : manasa
Hampiditra dikany hafa
1.
(asa) mt.p. (manasà): Mandranitra, mandrangitra, mampifilofilo: Ndeha mana-sa ity antsy ity ianao, ry Koto, fa dombo velona izy izany. - Manasa kibo: misotro fampivalanana. / Manasa lela: mifamaly mafy aminkatezerana. / Manasa nify: miomana amin'ny sakafo be, amin'ny fanasana. / Manasa uangy: miady mifampahay vava aoka izany.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
(sasa) mt. p. (manasà): Manala loto amin'ny rano: Lasa nanasa lamba er? amorona i zoky. ¶ M.h.: Manadio, manoza, manontsana, mifantsana, manakobana, manala loto, manala pentina, manala tseroka, mamotsy, manorana.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3.
(osa) mt.p. (manasà): Miantso hanatrika lanonana na hisakafo, miangavy ho tonga maneho fihavanana na fifanajana: Nanasa antsika ry zareo ato avaratra amin'ny mariazin-janany.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha