Dikan'ny teny : manaitra
Hampiditra dikany hafa
(taitra) mt p. (manaira): Mamoha amin'ny tori maso: Tsy nisy nanaitra ahy ka dia diso fidirana ter? aho. * Mampitahotra tampoka, mampivadi-po: Nanaitra ahy ny fahitako ilay olona niditra tampoka tao an-trano. ? Manatabataba tampoka ka mahatonga handositra: Iza no nanaitra ilay vorona nitsindrotsindroka teto? ? Mahagaga: Manaitra ahy izany uaouao lazainao izany. * Ohab.: Aza manai-boronkotifirina: aza aseho mialoha izay tetika hatao amin' olona kendrena ho azo.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha