Dikan'ny teny : lalao
Hampiditra dikany hafa
a: Fialam-boly na fialan-tsasatra, ka ny sasany fandaniana andro fotsiny, ny sasany fampitomboana herim-batana na herin-tsaina: Be lalao loatra ny zanakao no tsy androsoany amin'ny fianarana. ~ Lanonana misy zavatra mahafinaritra: Nisy bobo mahavariana tao antranom-pokonolona omaly. * Vazivazy: Misy manao la-lao ratsy izany. - t.i.f : Ilalaovana, tafalalao / milalao, filalao, mpilalao / ilalaovana, filalaovana f mahalalao I lalaolao I kilalao. Teny iray tarika: Kilalao, afakafaka, fampanononana ankamantatra, anjaingy, antsamotady, antsavily, antsefa, asampinga, baolina, daka, diamanga, fampitaha, fanalafihana, fandroribola, fanenjika, fangalampiery, fanorona, hazakazaka, kanety, katro (katra), kifanimpanina, kiombiomby, kindriandriana, kivarivary, kizanajanaka, moraingy, piarapiara, raboka, ralanitra, sabaka, raosijamba, an-kitsapaka, renin-jaza, sadoka, saribakoly, savoandanitra, tandrimo, tanisa, tapi-ka, tamaboha, tongodovia, tongokazo, tolona, totohondry, tsipilavaka, tsongolobatita, tsontsorimamba, valala manjohy, vatokely miara-ma hita
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha