Dikan'ny teny : karatra

Hampiditra dikany hafa
1. (fr. carte) a: Taratasy fanoratana ny karazan-ketra rehetra aloa amin'ny f anjakana. • F.-p.: Kara-panondro: taratasy misy ny fiankohonana sy ny sarin'ny tsirairay, manondro ny maha-Ranona azy marina. / Karatra isan-dahy na uidin-doha: karatra naloan'ny vatan-dehilahy rehetra mihoatra ny 21 taona teo aloha. / Karamanga: hetra aloa arakaraka ny vola miditra amin'ny tena mandritra K ny taon. ¶ M.h.: Hetra, isam-pangady, tongoamihonkona, vodihena, hajia. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a: Taratasy baoritra fahazoa-miditra amin'ny lanonana na fiara andoavambola, izay manamarina fa efa nahaloa vola ny tena: Efapola ariary ny karatra fidirana amin'ity rindran-kira / Roanjato ariary ny kara-tsaran-dalana mankany Toamasina. Jer. Bie. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3. a: Baoritra filalaovana misy marika sy sary, ary mitovy soratra ny vohony. • F.-p.: Miloka karatra: milalao karatra ka mahazo ny vola apetraka izay mahafaty. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779