Dikan'ny teny : hena

Hampiditra dikany hafa
1. ft.: Fihakelezana, fihavitsiana isa raha ampitahaina amin'ny teo aloha. I t. L f : Ahana, voahena, tafahena j mihena, fihena, mpihena / ihenàna, fihenàna I mahahena I henkena. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a. Nofom-biby efa maty: Mora ny henan-kisoa androany. • h.i.: Fery. - t.i.f.: Henahena 1 mangena hena, fangenahena 1 mihena velona. - F.-p.: Hena am-bifotsy: ha-na voavoatra tehirizina ambifotsy mba tsy ho simba J Hena ratsy, henam-paty: ila zana ny hena nozaraina tamin'ny mpandevina. / Hena ritra: hena noritina ka tsy misy rano intsony fa menaka sisa. /Hena vao: hena tsy nialina andro, ary ilazana koa ny hena raisina aorian'ny fandroana. /Hena varanga: flazana ny henam-pandroana notehirizina tamin'ny mena-ka nahandroana azy ka naharitra tamin'ny fandroana manaraka. J Nofon-kena mitam-pihavanana: Jer. Havana. /Hena velona aho nandre izany: (ny hena vao noraisina dia mihararetra kely): enti-milaza fa nangovitra iray ihany ny tena nandre izany. * Ohab.: Faran'ny omby hena: enti-milaza fa misy faxa ny ny zava-drehetra. J Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro : ilazana ny fisehoanjavatra izay mamohafoha ny fotoana teo aloha; zavatra kely mampahatsiahy ny lasa, na soa izany na ratsy. J Mitomany hena momba famaky: milaza fahihirana tafahoatra ka malahelo nony mahita poti-kena bitika kely manaraka ny famaky nikapana. J Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana: entina mandatsa ireo mpirobaroba tsy mahay mitsitsy ka mipitrapitra nony farany. J Tolokena maty jiro, ka vintana no andrasana: enti-milaza ny toe-javatra izay ny anjara tokana ihany no mety hahazoana na tsy hahazoana. Teny misy ifandraisany: atidohan-kena, atin-kena, fanangana, hofaka, ilikena, jabora, sabora, lela, lemy (leminy) lohomby, losony, mananety, masontanteliny, matomperiny, matom-perin-kisoa, mosavfnkena, roroha, soroka, taovany, tratra, trafo, traingo, tehezana, tsinainkena, vain-droroho, vavony, voankena, vodihena, vorivorinkena. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.007