Dikan'ny teny : hadalàna
Hampiditra dikany hafa
(adala) a: Tsy fisiantsaina hieritreritra sy sitrapo hisafidy; aretin-tsaina: Tazonina ao an-trano izy fa mihetsika ny hadalany, 1 Hakelezan-tsaina: Aza kapohina re izy, fa fantatrao ihany ny hadalan'ny ankizy. / Zavatra atao tsy am-pieritreretana, fivarinana amin'ny toetra ratsy: Nanao hadalana tany indray Rakoto ka nosamborin' ny polis y. a F,-p,: Lava hadalana ohatra ny trambo: tongotra hahelika ka enti-mandady: azon'ny hadalana ka tsy mahay mitandro izay tokony hotandrovina, toy ny haja, voninahitra. ¶ M.h.: Manary ilo mby an-doha. Voninahitra an-tsobika ka atao ampatambary. / Lava hadalana ohatra ny valalan'amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady: ny adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. / Tsy hadalan'ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara: tay fidin'ny akoho ny anidiana azy eo anjoro (atsimo atainanana) fa eo no tokony ho anjarany - ka mandefitra izy.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha