Dikan'ny teny : fivadihana

Hampiditra dikany hafa
(vadika) a.: Fifandisoana ka ny lafy ratsiny indray no miseho: Ny fivadihan'ny lamba. ? Fanaovana ny tehezana atao ambanimandry: Mety mba hahafaty ny marary ny fivadihany miankavia fa vizaka izy mihorirana forma miankavanana. * Fiovana ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Mahagaga ny fivadihan'ny andro tampoka tao. ? Fiovana ho ratsy, nefa nitokisana, famadihana: Mahamendrika hovonoina ho faty ny fivadihana amin'ny tanindrazana. ? Fitsipahana ny teny natao: Mitory toetsaina tsy mahomby ny fivadihana amin'ny teny napetraka. ? Fifandisoana ka ny anoloana no lasa aoriana, na ny aoriana basa anoloana:Ny fivadihan'ny satrokao no nihomehezan'ny ankizy anao. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.007