Dikan'ny teny : fiteny
Hampiditra dikany hafa
1.
(teny) a.: Fomba entina miteny: Mahitsy fiteny io zaza io izany. • Zavatra lazaina: Niova fiteny ianao izany, ? Fomba na baiko atao fifandraisana: Fiteny tsy fantatra ny an'ny biby. • p.t.: Azo tenenina: Teny tsy fiteny eo tmason'olom-pady izany.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2.
a.: Teny iombonan'antokon'olona iray, izay saika mandrakariva iray firenena: Mirindra aoka izany ny fiteny malagasY. - F. p,: Fitenim-paritany na fitenim-paritra: fomba fampiasan'ny faritany isanisany ny teny iombonana. Ao anaty fiteny malagasy, dia misy fitenim-paritany andrefana, manao hoe tihy, taly..., ary fitenim-paritany atsinanana, manao hoe: tsihy, tady.
Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
Hametraka hevitra
Midira aloha