Dikan'ny teny : fisaka

Hampiditra dikany hafa
1. P.t.: Manify, mitapelaka, tsy matevina: Haxo fisaka no anaovana gorodona. I t.i.f.: Fisahina, voafisaka, nofinisaka 1 mamisaka,famisaka, mpamisaka / amisahana, famisahana / mifisaka, fifisaka 1 ifisahana, fifisahana / mahafisaka i mitampisaka. ~ M.h,: Tapelaka, tapesaka, petaka, talesaka, saliaka, sahiaka, tasiaka, tasitasy, tabebaka, belaka, baliaka, mitaivelatra, manify, kararavina, elatr'angidina. * Ohab: Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina: enti-milaza ny fahasarotan'ny fitadiavana ny rariny. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. Fisàka (saka) a.: Fomba entina misaka na mihalotra (foza na orana) amin'ny tanana ao anaty lavany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0883