Dikan'ny teny : ebo

Hampiditra dikany hafa
Eboebo a. sady p.t. : Re-, hareha, rehaka, hakevohana, fisehoana ho mahay na ambony na manankarena noho ny hafa ka manambony tena noho izany; be rehaka, kevoka : Be ebo koa izany raha dlona! / Tsy tiako iny tovolahy iny fa ebo lahy loatra. - t.i.f. : Mieboebo, fieboebo, mpieboebo i ieboeboana, fieboeboana. ΒΆ M.h, : Eboebo, rehareha, edinedina, edikedika, ajokajoka, sehaseha, hakevohana. Be ebo, be beso, be vava, be rehaka, kasikasy, tia dera, tehoderaina, mampilahendrena, tia doka, doradora, lasanko vavany, tsy maty am-bavany, matavy an-delany, akoholahy fahavaratra, miajokajoka, mianjonanjona, mihambohambo, miehakehaka, mibohaka, miangiangy, midohaka, midohadoha, midokadoka, midihindihina, miadonadona, miadokadoka, mihadrahadra, miedinedina, miedikedika, mie taketaka, mideronderona, mirehaka, mirehareha, mibohy, miaingitraingitra, midehadeha, misehaseha, mitehateha, miaingiaingy, misandratsandratra, misavoamboana, mievotrevotra, mitehintehina, miiaiiay. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0196