Dikan'ny teny : bongo

Hampiditra dikany hafa
1. a: Hazo madinika akana heza fampandairana loko. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
2. a: Trano na lava-boalavo ipetrahany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
3. p. t.: Enti-milaza ny tarehy na ny maso toa mivonto mivindimbindina: Bongo endrika izy. / Bongo maso ny zandrinao fa mahery mitomany. * Ohab.: Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny (ny sitrapony): enti-milaza nY olona voan'ny nataon'ny sitrapony ihany, nandrora mitsilany. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
4. (Ski) a: Fitsimponana ny sisa tsy voaotin'ny mpioty kabaro. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
5. a.: Sombin-tany mivaingana. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
6. a.: Anaran-kazo fakana loko mainty handokoana landy na kofehy, ary nampiasaina koa ho fanafody. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)
7. a.: Anarana ilazana ireo fakofako sy zavatra malemilemy angonin'ny biby sasany mba hilafihany. ΒΆ H. i.: Trano tsizarizary sady iva: Trano bongo. * Ohab.: Trano bongo misy ronono ka sarotra atao maiahelo: enti-milaza fa na ny mahantra aza dia mety hanana izay mahasambatra azy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079