Dikan'ny teny : bibilava

Hampiditra dikany hafa
a.: Karazam-biby lavalava tsy misy tongony na tanany fa mikisaka amin'ny kibony no fifindrany toerana. — Misy karazany maro ny bibilava eto amintsika, izay tsy mba misy poizina ny ankamaroany: ny bibimora, ny do na dona, ny fanany, ny fandrefiala, ny mandopotsy, ny mandotra na ranimandotra, ny marolongo, ny menarana, ny renivitsika, ny tompondrano, ny tampontany. * Ohab.: Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana: enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin'ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079