Dikan'ny teny : anjely

Hampiditra dikany hafa
a. (Fiu. Kat.): Zavaboary fanahy fotsiny izay nataon'Andriamanitra ho mpanome voninahitra azy ary ho mpanelanelana aminy sy ny olombelona; ny antokony iray amin'izy ireo, izay atao hoe anjeiy mpiambina dia asain'Andriamanitra miaro sy miambina ny olombelona tsirairay avy. (Misy sokajiny sivy ny zavaboary fanahy fotsiny ihany ka ny anjely no ambaratonga farany ambany indrindra; indreto avy ireo sokajiny sivy ireo: ny Serafima, ny Kerobina, ny Fiketrahana, ny Fanapahana, ny Hatsaram-panahy, ny Hery, ny Fifehezana, ny Arakanjely, ary ny Anjely). Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008