Dikan'ny teny : andro

Hampiditra dikany hafa
a.: Fotoana manelanelana ny misasak'alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay. ? Ny fotoana anazavan'ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin'ny folo (mifanohitra amin'ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava. • Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran'ny andro ianao eo. 1 Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: A-min'izao andron'ny baomba atomika izao. / Efa nanomboka ny fandrosoana tamin'ny andron-dRadama rainy. ~ Ny fiainan'ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron'ny zanak'olombelona, hoy ny Soratra Masina. ? Vintana: Ratsy andro, hono, ft? zaza US, araka ny filazan'ny mpanandro. ~ Toetran'ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra. / Mangatsiaka ny andro amin'ny ririnina. ~ Fotoana: Vary andro foana eto aho. - t.i.f.: manandro, fanandro, mpanandro / anandroana, fanandroana / mifanandro. ? F.p.: Andro iray toa zato: andro misy fifaliana be noho ny zava-nitranga taminy na noho ny hafaliana entiny; / andro fotsy: andro voalazan' ny mpanandro ho tsara: / andro mahery: andro voalazan' ny mpanandro ho mampahita loza; / andro mena: andro na vintana voalazan'ny mpanandro ho mafy, masiaka, na ny fotoana maharevo ny tantsaha amin'ny fambolena (manetsa ny olona: mena ny rano; miasa na mihevo: mena ny tanety); / androm-balala: toetr'andro migaingaina nefa mandrivo-maina; / andro uelona: andro anafahana olomeloka, indrindra ny mpikomy; /andro uidina: enti-milaza fotoana sarobidy tsy foy holanilanina foana; / andro tsy maty: andro fifaiiam-be ka samy mahazo manao izay tiany amin'ny fanaranam-po ny olona rehetra; / androndolo: andro mitsilopilopy tsy mazava tsara, na ilay ma-raina menamena iny ny vodilanitra, na ilay sady misy andro mipoaka no avy ny orana; / andro mandrorona: fotoan'andro ihilanan'ny masoandro; / andro mahatsara vahiny: ilay takariva mavana mahafinaritra iny; / isan'andro, isan'andro mihiratra, isan'andro vaky: isaky ny misy andro mipoaka; / lany andro: efa tsy fampiasa intsony amin'ilay fotoana itenenana; / maimbo andro: misy fofona azon'ny hainandro;/ mamintana andro: mandainga fotoana (avy amin'ny teny hoe vintana: noheverin'ilay olona nifanaovana fotoana fa mifanohitra amin'ny vintany ilay andro nifanekena ka dia tsy tonga izy); / mampoelana andro: tsy miasa isan'andro misesy fa mandingandingana (tsy amin'ny asa ihany anefa no ilazana izany fa amin'izay rehetra tsy misesy isan'andro, toy ny akoho manatody, ny tazo mamely...); / manala andro: manao kilalao na resaka mahavery dia mba handaniana ny fotoana; mitanina andro na mitapy andro: mipetraka amin'ny toerana azon'ny hainandro tsara mba hahazo hafanana; / mangataka andro: miangavy ny hampihemorana ny fotoana efa nifanarahana na nif anekena; / manaraka andro: mitanina andro ka mifindrafindra manaraka izay misy hainandro; / misandratra andro: enti-milaza ny fotoana hatramin'ny maraina ka hatramin'ny mitataovovonana; / mitsidika andro: entimilaza ny fotoana rehefa mihilana kely aorian'ny mitataovovonana ny masoandro; / manitsaka andro: mamantatra vintan'olona araka ny fotoana nahaterahany; / mialina andro: enti-milaza zavatra tehirizina na raharaha atao izay tsy vita androtry ny nanombohana azy fa mahatratra ny andro manaraka; / andro vitan-keny ho azy: tonon'andro mety hampidi-doza aminy; / andro amanan'alina: mandritra ny andro sy mandritra ny alina tsy tapaka; / andro mody: enti-milaza ny andro efa ho tapitra, efa ho faty. Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.007