Dikan'ny teny : akondro

Hampiditra dikany hafa
a.: Hazo fihinamboa, boribory ny vatany, mitapelaka boribory lavalava ny raviny, ny voniny fotsy madinidinika ary ny voany, bontolontolo lavalava, mitandahatra mikambana ho lafitra, izay milsa maromaro manodidina ny tahom-boany mdofika miafara amin'ny emboka. Voankazo mamy ny akondro, tsy mba misy olitra na biby, vokatra mandavan-taona ary saika maniry eran'ny nosy, porofoin'ny fisian'ny anarany samy hafa hatraiza hatraiza: fontsy na ontsy, katakata, kida, anampisaka, kimalao... Misy karazany maro ny akondro: afontsy, batavia, boroboaka, mavokely, ranjalia, sarika, tsiemeroa, tsilavonomby der. ireo teny ireo). Ahitsio
(09/08/2011 00:40 - Nampidirin'i admin)

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079