Roka [admin] | : | a.: Zezika, zezika miavosa kely na fotaka manampina ny vava lavaky ny foza. - F.-p.: Homan-droka: efa antitra dia antitra (ka miverina amin'ny fahazazana mitsimpona mihinana izay rehetra hitany na dia fakofako aza). Ahitsio |
Rojo [admin] | : | a.: Karazam-bary lava madio ny voany: Vary rojo fotsy; rojo mena. Ahitsio |
Rojo [admin] | : | a.: Masom-by na varahina na volafotsy na volamena mitohitohy ka zary fehy, hitanana mpangalatra na hiambozonan-javatra na hatao haingo: Tapaka ny rojompamantaranandroko. / Rojo vy. / Rojo vola. - F.-p.: Rojo taolan'amalona: rojo karazany hafa kely fa ny fitohitohizan'ny masom-by aminy dia toy ny taolan-dam osin' amalona. Ahitsio |
Roimemy [admin] | : | na Romemy a.: Karazana roy izay mafy aoka izany ny hazony (Mimosa la-t isp in osa). Ahitsio |
Roimainty [admin] | : | a.: Voarointsaka dia. Ahitsio |
Roifantaka [admin] | : | a.: Karazana roy mafy hazo. Ahitsio |
Roibevavy [admin] | : | a.; Karazana roibe lehibe. Ahitsio |
Roibelahy [admin] | : | a.: Karazana roibe kelikelY. Ahitsio |
Roibe [admin] | : | a.: Karazana roy misy voninkazo mitapelaka, ary ny hodiny anaovan'ny ankizy antsamOtady. Ahitsio |
Roy [admin] | : | a.: Karazan-kazo kely madinidinika misy tsilotsilony ary fihinam-boa: Ny uoan' ny roy no atao hoe uoaroy. (Maro karazana ny roy: roibe, roibelahy, roibevavy, roifantaka, roimainty, roimemy; samy jereo amin'ny toerana tokony hisy azy avy ireo). Ahitsio |
Roy [admin] | : | Kianteny entina manolo ny anaran'olona tsy tiana hotononina, ary matetika mifamaly amin'ny hoe "lahy". Ahitsio |
Rohotra [admin] | : | na Rohitra a.: Fiaraha-mandeha ataon'ny olona maro be ; fizorana miara-be. - t.i.f.: Mirohotra, firohotra, mpirohotra / irohotana, firohotana / maharohotra / rohodrohotra. Ahitsio |
Rohontany [admin] | : | a.: Fomban-tany na fomba irohonan'ny be sy ny maro ka mahatarika izay miara-mitoetra aminy hanaraka izany. (Oh. olona zatra ny madio any an-tanàn-dehibè, nefa nony tonga monina any an-tsaha lasa tsy mahavatena manaraka ny rohon-tany). Ahitsio |
Rohona [admin] | : | a.: Kotroka mamoaka feo midaondaona any lavitra any; fipoahan-javatra miraondraona sy mampihovitrovitra na dia akaiky aza. - t.i.f.: Tafarohona / mandrohona, fandrohona, mpandrohana / androhonana, fandrohonana / mirohona, firohona, mpirohona, / maharohona / rohondrohona. Ahitsio |
Rohizana [admin] | : | (rohy) mt. ih. (rohizo): Fatorana amin'ny mahazaka: Rohizo io lakana io fa sao lasan'ny rano. ? (omby) Samborina amin'ny fanipazana tady eny amin'ny tandrony na eny amin'ny tongony: Norohizan-dRakoto ny ombiny. ? h.o.: Tana-na, hazonina: Tandremo ny teny atao fa sao rohizan'ny olona amin'ny uauanao ianao. Ahitsio |
Rôhy [admin] | : | (Tsm) a.: Zanak'omby sarahina amin-dreniny mandritra ny alina mba hahazoana mitery ny reniny ny ampitso. Ahitsio |
Rohy [admin] | : | a.: Famatorana amin' ny tady, fanagiazana amin' ny kofehy: Ataouy rohy foza izay mpangalatra tratra. * Fatotra: Ratsy rohy an-gamba ilay omby matou afanan dos i tra. * t.i.f.: Rohizana, arohy, voarohy, tafarohy / mandrohy, fandrohy, mpandrohy / androhizana; fandrohizana / mirohy, fixohy / irohizana, firohizana / maharoy / rohirohy. Ahitsio |
Rohanina [admin] | : | (rohana) p. t.: Mararin'ny rohana. Ahitsio |
Rohana [admin] | : | a.: Aretina manaintaina sy mampangotsokotsoka any amin'ny famavanin'ny taolana. - t.i.f.: Rohanina. - F.-p.: Roha-nendra, rohankatina, rohan-tety: fanaintainana na fivontosana avy amin'ny aretina samihafa, toy ny nendra, hatina... / Miala rohana: mihetsiketsika mba hanala sasatra ny hozatra. Ahitsio |
Rohae [admin] | : | (Ski) a.: Enti-milaza ny tany mainty miparasadrasaka toy ny lavenona, na toy ny main'ny afo tany aloha ela. Ahitsio |