Teny nampidirina farany

Tapia
[admin]
: a.: Karazan-javamaniry izay antonontonony ny habeny, maniry indrindra any amin'ny faritanin'Imamo ary fihinana ny voany no sady fanao sakafon'ny bibindandy ny raviny. Ahitsio
Tapy
[admin]
: a.: Fitaninana amin'ny hainandro. - t.i.f.: Atapy, voatapy 1 mitapy, fitapy, mpitapy I itapiana, fitapiana I mahatapy. Ahitsio
Taperina
[admin]
: (tapitra) mt. ih, (tapero): Vitaina, faranana: Tapero izato resakareo fa efa alina ny andro. • Lanina: Notaperin'ny saka lahy ny ronono. • (Vola) Aloa daholo tsy asiana sisa mijanona: Hotaperiko amin'ny herinandro ambony ny uolanao. Ahitsio
Tapenaka
[admin]
: a: Ny tapany ambony amin'ny rindrin'ny sakantrano, izay atao telozoro, ka ny lohany maranitra ambony no atao hipetrahan'ny vovonana, ary dia io tendrony maranitra io no atao hoe lohatapenaka. Ahitsio
Tapelaka
[admin]
: p, t.: Enti-milaza felan-javatra lehibe velarana no fisaka. Ahitsio
Tapelaka
[admin]
: a.: Zavatra mifanosontsosona azo selatselahina toy ny kiran-trondro. Ahitsio
Tapatapakahitra
[admin]
: a.: Resadresaka mahasoa amim-pihavanana, dinidinika. Ahitsio
Tapaka
[admin]
: a.: Enti-milaza zavatra voadidin-java-maranitra ka tarangana mizara roa misaraka er?: Tapaka ny tehiko. • Enti-milaza teny na rasa-ka voatery haato noho ny fisalovanan'ny hafa na fitrangan-javatra tsy nampoizina: Aza fada, fa tapaka ny resatsika noho ilay kotrobaratra tao. • Nanaovana didy hentitra: Tapaky ny manam-pahefana fa tsy hankalazaina ho fetim-pirenena intsony ny 14 Oktobra. • Miato, mijanona: Tsy tapa-ka ny orana nandritra ny hefarana. i t. f f.: Tapahina, voatapaka, tinapaka 1 manapaka, fanapaka, mpanapaka 1 anapahana, fanapahana 1 mitapaka, fitapaka 1 mifanapaka 1 mahatapaka 1 tapatapaka. Ahitsio
Tapahina
[admin]
: (tapaka) mt. ih. (tapaho): Zaraina tarangana roa: Tapahina ny tady. • A-janona, ampiatoina: Aza tapahinao ny teniko, • Araikitra, anaovana didy: Vao notapahina fa hianatra indray amin'ny Alakamisy izao. • Tsy avala handeha: Notapahin'ny sasany ny rano. • Vitaina, faranana: Notapahina haingana ny asa fa samy maika hody. / Tapa-ho haingana ny hevitrao. Ahitsio
Taozavatra
[admin]
: a.: Fanamboarana ny zavatra vita-Nanahary ho zavatra azon'ny olombelona hanina na ampiasaina amin' izay mahasoa azy: Ny taozavatra no ananana izay mahasoa: sakafo, fitafiana, trano. Ahitsio
Taovany
[admin]
: a.: Izay rehetra ao anatin'ny tenan'ny biby vonoina — ivelan'izay antsoina andavanandro hoe hena — toy ny voany izany, ny fony, ny atiny... nefa voafaoka ao anatin'ny taovany koa ny lohany. Ahitsio
Taoriana
[admin]
: p. mt.: Ny teny hoe "aoriana" ialohan'ny mariky ny lasa "t" ka ampiasaina hilazana fotoana: Tonga taorian'ny zandriny izy. (Marihina fa samy hafa amin'ny "tao aoriana" io, izay misy ny teny "aoriana" ihany fa ialohan'ny "tao" milaza toerana, ka ampiasaina kosa hilazana toerana: Nipetraka tao aorian'i dada aho). Ahitsio
Taontaonkafa
[admin]
: o.: Teny entimilaza ny feon'ny kankafotra, na io vorona io mihitsy koa. Ahitsio
Taontaona
[admin]
: p. t.: Adaladala, minomino foana befahatany. • t.i.f.: Mitaontaona. Ahitsio
Taona
[admin]
: a.: Tatitra entana na zavatra hafa ho amin'ny toerana hafa. • Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena. - t.i.f.: Taomina, voataona / mitaona, fitaona, mpitaona / itaomana, fitaomana / mahataona. Ahitsio
Taona
[admin]
: a.: Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan'ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin'ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taons malagasY (roa ambin'ny foin volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe tanna miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa? • Marika na isa ilazana ny tanna iray izay isaina hatramin'ny vanin'andro lehibe iray eo amin'ny tantara (oh. ny mariky ny isan'ny tanna ampiasain'ny ankamaroan'ny firenena ankehitriny dia hatramin'ny nahafatesan'i Kristy): Taona 1960 no nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany indray. - Taona any, taona ambony, raha au), taona: amin'ny tanna ho avy. / Tao-na ito: amin'ity taona hitsahina ity. / Taon-dasa na Tao-na its?: tamin'ny taona farany tao. / Taona tarnin' ny tanna talohan'ny farany tao. (Ohatra, raha taona 1974 taona ito, ny taona 1975 dia atao hoe: tanna any na tanna ambony na raha avy taona; ny 1973 kosa taon-dasa na tanna its?, ary 1972 taona ir?). / Taon-jina na taom-bokatra na tao-mora: taona nahazoana vokatra betsaka. / Taon-tsarotra: taona tsy nahazoana vokatra firy noho ny tondra-drano, havandra, valala, tsy fisian'orana ka mahatonga ny fiainana ho lafo na sarotra. / Mialin-taona: enti-milaza zavatra navela haharitra herintaona, toy ny henam-pandroana izany, izay amelàna hohanina amin'ny fandroana manaraka. / Nitoetra tany folo tao-maty izy: ilazana fepotoana heverina ho ela loatra nijanonan'olona tany amin'ny toerana iray. / Tsy mandika taona: tsy tapaka misy isan-taona isan-taona. Ahitsio
Taomina
[admin]
: (taona) mt. ih. (taomy): Tateri.na, entina hafindra toerana: Taomy ireto vato ireto. • Tarihina hanaraka na hanao toy ny tena: Notaominy hikarenjy aho fa tsy nety. Ahitsio
Taolanina
[admin]
: (taolana) pot.: Be taolana: Taolanina ity zaza ity. Ahitsio
Taolana
[admin]
: a.: Zavatra mafy mampijoro ny tenan'ny olombelona sy ny biby rehetra misy hazondamosina: Taolana dorana no anaouana ny ranomena. 4 Voany mafy hita ao anatin'ny voankazo sasantsasany, toy ny paiso, manga: Taola-manga. - t.i.f.: Taolanina. Ahitsio
Taolampanavy
[admin]
: a.: Ireo taolana kilavalava roa somary mivolantsinana, mampitohy ny taolan-tratra amin'ny rangomaina. Ahitsio