Ahodidina [admin] | : | (hodidina), mt. at. (ahodidino): Atao manodidina, manapitra ny sisin-javatra iray ivelany rehetra: Nisy hady nahodidina ny tanna taloha mba tsy hahafahan'ny fahavalo miditra. / Ahodidino ny valahanao it? lamba Ahitsio |
Ahobankobana [admin] | : | (hobankobana), mt. at. (ahobankobano): Atao mikobana, atao misy elanelana malalaka. Ahitsio |
Ahoatra [admin] | : | (hoatra), tilt. cit. (ahoary): Ampandalovina ambony, an-koatra..., alefa mihoatra...: Ahoary ny tamboho io entana io. Ahitsio |
Ahoana [admin] | : | p. mt.: Teny enti-mamaly raha misy miantso: Koto a! — Ahoana, ry dada? ? Enti-manontany teny nolazain'olona: Ahoana no navaliny anao? Ahoana, hoy izy, taminao? ? Enti-manontany fomba fanaovan-javatra: A-hoana no fiarahabanareo atv? ? Enti-ma.mototra antonjavatra: Ahoana no aniratsiranao olon-dehibe ohatra andrainao? ~ Enti-manontany ny fomba hoentin-mitondra olona, raharaha na zavatra: Hatao ahoana izao it}q zaza marary it?? - F.-p.: Tsy ahoako, tsy ahoanao: tsy raharahako, tsy raharahanao; ahoanao inona izany? tsy tokony horaharahainao akory ny amin'izany; manao ahoana?: manao akory; tsy ahoan-tsy ahoana: tsy misy antony, tsy misy vidiny. - t.i.f.: manahoana 1 ahoako, ahoanao, ahoany... Ahitsio |
Ahoalahoala [admin] | : | (hoalahoala), mt. at. (ahoalahoalao): Atao izay hahamaimay azy, hampihoalahoala azy. Ahitsio |
Aho [admin] | : | mpisolo anarana misolo olona, enti-milaza ny olona miteny ka atao teny lazaina, mitovy amin'ny izaho ihany, saingy ny izaho manomboka fehezanteny ary ny aho mamarana: Handeha rahampitso uao maraina aho. / Izaho handeha rahampitso vao ma-raina. - t.i.f.: miahoaho. Ahitsio |
Ahizitra [admin] | : | (hizitra), mt. fit. (ahiziro): (teny) Entina mandà an-ditra. Ahitsio |
Ahizina [admin] | : | (hizina), mt. at. (ahizino): Alentika, ampidirina, ahitsoka: Nahiziny tao anaty fasika ny lakany. Ahitsio |
Ahivoka [admin] | : | (hivoka), mt. fit, na mt. at. (ahiuohy): Entina mameno. 1 Afatratra, asesika: Nahivoka tao anaty fiara kety izy valo lahy. Ahitsio |
Ahivingivina [admin] | : | (hivingivina), mt. at. (ahivingivino): Ahifikifika, ahetsiketsika, ahodinkodma (ny loha). Ahitsio |
Ahitsoka [admin] | : | (hitsoka), mt. at. (ahitsohy): Alentika tsy ho afa-mivoaka; alatsaka amin'ny toerana tsy ahafahana mivoaka: Nahitsokao ao anatin'ny fahasahiranana aho. Ahitsio |
Ahitsiriry [admin] | : | a.: Karazan'ahitra. Ahitsio |
Ahitsy [admin] | : | (hitsy), mt. at. (ahitsiho): Amboarina tsy hibilabilaka, tsy ho meloka: Ahitsiho it? lalana itg. ? Atao milahatra tsy mibilabila: Ahitsiho tsara ireto seza ireto. Ahitsio |
Ahitsaka [admin] | : | (hitsaka), mt, fit. (ahitsaho): Entina manitsaka, ampiasaina mba hanitsaka: Misy tsilo ny voditongony ka ny loharantsany no ahitsany rehefa mandeha. Ahitsio |
Ahitrombilahy [admin] | : | a.: Karazan'ahitra saika fahita hatraiza hatraiza; ny voniny mirantsana toy ny rantsantanana er? antendrony, ka mitovitovy amin'ny fandrotrarana izy fa ny maha-hafa azy dia ny tahony mijoro fa tsy misafosafo amin'ny tany. Ahitsio |
Ahitrikitrika [admin] | : | (hitrikitrika), mt. at. (ahitrikitriho): Alentika, asesika amin-kery; antitranterina: Nahitrikitriky ny mpandaha-teny fa tsy maintsy mbola hibaribary ny marina indray andro. Ahitsio |
Ahitrakondro [admin] | : | a: Karazan'ahitra. Ahitsio |
Ahitrakohovavy [admin] | : | a.: Karazan'ahitra. Ahitsio |
Ahitrakoholahy [admin] | : | a.: Karazan'ahitra. Ahitsio |
Ahitrakanga [admin] | : | a.: Karazan'ahitra Ahitrakoho a.: Ahitra fanaon'ny mpanao raokandro fanafody. Ahitsio |