Teny nampidirina farany

Akolepaka
[admin]
: (kolepaka), mt. at. (akolepaho): Atao mikolepaka, mandringa. Ahitsio
Akojy
[admin]
: (kojy), mt. fit. (akojeo) Entina manakojy, mitarika, manjono, manangoly: Vola ve no akojinao ahy? Manana aho. Ahitsio
Akohovavy
[admin]
: a.: Ny vavy amin' ny akoho. * F.-p.: Akohovavy maneno: vehivavy avo vava miseho ho mpitarika ao an-tokantrano. Ahitsio
Akoholahy
[admin]
: a.: Ny lahy ami?' ny akoho. * F.-p.: Akoholahy maneno alina: olona mipentsompentsom-bava; ) adin'akoholahy fantàka: ady manao tari-dositra. Ahitsio
Akoho
[admin]
: a.: Karazam-borona mpitslndroka, somary boribory vatana bontolontolo va-va somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin'ny olombelona hatramin'ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohouavy, akoholahy, vontotr'akoho, akohokely). Ny teny ilazana ny feon'akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nis), nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany). ~ * Ohab.: Akoho tsy naneno ohatra izay lanin'ny kary: enti-milaza famoizan-zavatra nandrasan-tsy tonga. Ahitsio
Akohaka
[admin]
: (kohaka), mt. at. (akohafy): Avoaka amin'ny kohaka: Be ny rehoka nakohaky ny marary. Ahitsio
Akofoka
[admin]
: (kofoka), mt. at. (akofohy): Hofokofohina, ahetsiketsika: Akofohy ny ana-na fa matetika misy bibin'anana. • Akopaka: Akofohy ny lamba fandiavana isa-maraina. .1 Kapohina: Nako fodminy ilay zazalahy fa naditra. Ahitsio
Akofa
[admin]
: a.: Voambary poaka aty na foana ny atiny. - t.i.f.: manakofa. Ahitsio
Akodingy
[admin]
: (kodingy), mt. at. (akodingio): Azera, adaboka dia avela hikodiadia: Nakodinginy tany an-tevana ilay vato nanakan-dalana anay. • h.o.: Aongana: Nakodingin' ny Filoha ireo minisitra faly nameno paosy. Ahitsio
Akodia
[admin]
: (kodia), mt. at. (akodiavo): Alefa hikodia, hikodingy; akodingy: Nakodian'ny anjely ilay vato teo amin'ny varavaram-pasana, dia nipetrahany. Ahitsio
Akodadaka
[admin]
: (kodadaka), mt.at. (akodadaho): Asaina mikodadaka na mikodedika. Ahitsio
Akobona
[admin]
: (kobona), mt. fit. (akobony): Entina handrakofana, hanafenana: Taratasy no nakobony ilay mangahazo nomeko azy. Ahitsio
Akobila
[admin]
: (kobila), mt. at. (akobilao): Atao tonga bila, mivaona. Ahitsio
Akobana
[admin]
: (kobana), mt. at. (akobano): Atao izay hihetsiketsehany, hivontosany: Nakobany tao anaty rano mafana ny tavolo. Ahitsio
Akobaka
[admin]
: (kobaka), mt. fit. (akobahy): Entina manakobaka, manetsiketsika ny rano: Haxo lavalava no nakobany ny rano tao anaty barika. • mt. at.: Hetsiketsehina, sasana (ao anaty rano): Nakobany tao anaty rano ny tongony fa feno fotaka. Ahitsio
Azera
[admin]
: (ka mietry na miletsy, na mihetsaka eo an-toerana eo no fianjerany): Nakoan' ny ranonorana ny tambohonay. • Adaboka: Nakoan-d-Rakoto ny tranony fa kely loatra, hono. Ahitsio
Akoa
[admin]
: (koa), mt. at. (akoavy): Ahitsio
Ako
[admin]
: a.: Fiverenan'ny feo mahadona zavatra, toy ny rindrina na tamboho na tendrombohitra. • h.o.: Fiverenana any aoriana: Ao ny tsantan'ny andro taloha sy ny hiran'ny fahazazako no milevina ka tsy mifoha na miverina mba hitondra ako! (J.-J. R.) - t.i.f.: manako, fanako ! anakoana, fanakoana ( mana• koako. Ahitsio
Akizaka
[admin]
: (kizaka), mt. fit. (akizaho): Entina manome tsiny, anomezan-tsiny arahin-devilevy na trerona: Zavatra kely iny dia hitany nakizaka ahy. Ahitsio
Akivilivily
[admin]
: (kiuilivily), mt. at. (akivilivilio): Ahetsika mankatsy sy mankaroa, akipilipily: Akivilivilio ny tananao dia hafana ianao. • Ahodinkodina: Nakiviliviliny ny antsamotady ka nahavoa ny omby ny vato. Ahitsio