Bozaka [admin] | : | a : Anarana ilazana ny karazan'ahitra ankapobeny : Lasa naka bozaka hatao kitay i Soa. - F.-p. : Bozaka aman'ahitra : enti-milaza ny vahoaka ankapobeny. ¶ M.h.: Ny valalatsimandadiharona, ny valalabemandry, ny sarambabembahoaka, ny sarambaben'ny kintana, ny vodiahitrarivo. / Kitay bozaka: bozaka atao am-patana (mifanohitra amin'ny kitay hazo). / Mifako bozaka: maka bozaka handrahoan-kanina. / Oantra ny bozaka: be dia be. Ahitsio |
Bove [admin] | : | na Bovey (fr. bouvet) a : Hazo misy andahiny sy ambaviny ka afaka mifampiditra atao gorodona : Vita boue ny gorodon'ny trano fandraisam-bahininay, - t.i.f. s Voabove / manabove, fanabove, mpanabove 1 anabovezana, fanabovezana 1 mahabove. Ahitsio |
Botsiaka [admin] | : | p.t.: Fotsy dia fotsy, fotsy madio tsy misy loto. Ahitsio |
Botsatsaka [admin] | : | p.t.: Fotsy dia fotsy manakaiky ny bobo. Ahitsio |
Botsake [admin] | : | (Ski) p.t : Enti-milaza ny olona malemy valahana ka mivalan-drano matetika. Ahitsio |
Botrina [admin] | : | (botry) mt.ils. (botrio) : Atao tonga botry, mahantra : Dia hobotrinao izany i dadatoanao amin'ny filafihanao ao aminy mandavan-taona Ahitsio |
Botry [admin] | : | a.: Lakana lehibe izay misy voizina na entin'ny lay na mandeha amin'ny herin' ny milina. Ahitsio |
Botry [admin] | : | p.t.: Fohy, zeny, tsy mitombo intsony : Hazo botry. / Zazavavy botry kely. • H.o. s Tsy manana, lany harena, raya fananana : Izao vao tena botry Rakoto fa lany matin'ny ramoretaka ireo kisoo roa hany sisa nompiany, - t.i.f. : Botrina, voabotry I manabotry na mambotry, fanabotry na fambotry, mpanabotry, na mpambotry 1 anabotriana, fanabotriana i mahabotry 1 botribotry. - F.-p.: Vary botry : karazam-bary vaventy fohy, / Donga vatana fa botry lai-na : enti-milaza ireo zaza mi-hanta loatra, izay ny vatanY mety ho botrefona fa ny saine tsy mitombo na kely akory aza. * Ohob.: Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana : entimilaza fa tsy tokony hatao tsinontsinona ireo jerena toa kelikely na mavomavo fa mety ho izy ireny no hahavita zavatra. /Tery omby ririnina, ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany : enti-milaza fitsimbinana antokon'olona roa, izay samy mitady tombontsoaho azy avy, toy ny mpivarotra sy ny mpividy izany, ohatra, ka amin'ny fiadiam-barotra indrindra no ampiasaina io ohabolana io. Ahitsio |
Botretra [admin] | : | p, t.: Kely, mbola bitika, tsy mahavoa-tena irery : Zaza botretra. Ahitsio |
Botrefona [admin] | : | p.t.: Sady matavy dongadonga, botrabotra, no matanjaka : Zazalahy kely botrefona. Ahitsio |
Botraika [admin] | : | a : Di-doha, fanaovan-javatra an'aina, an-kery fotsiny, fa tsy mitady izay mety hahasoa hahatsara aradrariny : Manao botraika fotsiny no hain-dRabe fa tsy mba mitady izay rindrany izy. Ahitsio |
Botrabotra [admin] | : | p.t.: Dongadonga vaventy sady botrefona (tsy fiteny afa-tsy amin'ny ankizy). Ahitsio |
Boto [admin] | : | a.: Volo mivondrona kely toa sanga eo an-tampondohan'ny vorona sasany. Ahitsio |
Boto [admin] | : | a.: Zazalahy kely : Nifaninana hazakazaka ny boto kely ka nahafinaritra eny+ ny nijery azy. • Mpiasa an-trano fanirakiraka sy mpanao raharaha, mazàna voasisi-kevitra fanambaniana. Ahitsio |
Botitika [admin] | : | Jer. Bolitika. Ahitsio |
Botitaka [admin] | : | p.t.: Enti-milaza ny ankizy mizihitra ny kibony noho ny havokisana be loatra. - t.i.f. s Mibotitaka. Ahitsio |
Botinaka [admin] | : | a : Mitovy hevitra amin'ny Botanaka. Ahitsio |
Botiboty [admin] | : | (Ski) a. : Anaran-kazo misy hafotra mena fanao tadim-pintana. Ahitsio |
Boty [admin] | : | p.t.: Kely, madinika, tsy lehibe na be vava : Karama boty ; hala-boty. Ahitsio |
Boty [admin] | : | a.: Lalana tery. Ahitsio |