Sarimiaina [Jery (Jax Percy)] | : | sary+miaina. tiana ampidirina ao anatin'ny rakibolana malagasy handikana ny teny frantsay hoe: film Ahitsio |
Tara [Ny Antara ANDRIANARISAINA] | : | ny "tara" dia anarana hilazana ny "mpanjakan'ny rano" Ahitsio |
gala [manampytsoa] | : | Milaza vola arivo ariary Ahitsio |
homby [Silvanna] | : | «homby»: midika hoe "antonona" na "sahaza" samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin'io ka toerana io ohatra: -tsy homby anao iny pataloha iny. (Tsy antonona, tsy sahaza) -hafaliana tsy homby tratra (mihoatra ny tratra) Ahitsio |
Fanivaka [Jery (Jax Percy)] | : | f+an+ivaka, fototeny: ivaka. Teny iantsoana ny moto "scooter" (fr/eng). Nosafidiana izany teny izany noho izy azo entina manivaka any anelanelan'ny fiarakodia. ohatra: Andao isika handeha fanivaka mba tsy ho tratry ny fitohanan'ny fiara eo Besarety sy Ankadifotsy. Ahitsio |
Soavalivy [Jery (Jax Percy)] | : | soavaly+vy (fr: cheval de fer ou cheval en fer). teny milaza ny "moto" (fr) lehibe toy ny "moto-cross/boldor/semi-cross/routiers/booster etc". Ny "scooter" irery ihany no tsy ao anatin'io lisitra io fa manana ny azy manokana izay teny vaovao ihany koa: "Fanivaka" Ahitsio |
TONTOLO IAINANA [elayvo ] | : | ireo rehetra manodidina na miana na tsia Ahitsio |
latsakemboka [rlamijoe] | : | Vola aloa indray mandeha na miverimberina, ohatra isam-bolana na isan-taona, amina fikambanana na fivondronan'olona maromaro mba ho fampandehanana ny fikambanana na ho fanatrarana tanjona iray Ahitsio |
katy [haja_rakoto] | : | antibavy mahia kaozatra (reny katy: kisoa vavy efa antitra ka mahia) Ahitsio |
Ampira [RakotonirinaT] | : | Orinasa iray izay midadasika sy mpanefoefo tokoa Ahitsio |
Ampira [RakotonirinaT] | : | Firenena iray fehezina Amperora. Ahitsio |
Ampira [RakotonirinaT] | : | Vondrona firenena na toerana maro samihafa izay manompo fahefana avy any ivelany iray. Ahitsio |
Ampira [RakotonirinaT] | : | Toerana ara-politika izay mifehy fara fahakeliny fanjakana iray amin'ny alalan'ny andriany. Ahitsio |
ampira [RakotonirinaT] | : | Toerana ara-politika midadasika na fitambarana toerana na firenena ka fehezina fahefana mahefa tokana. Ahitsio |
Mifono [hery] | : | (fono) mt. s (mifonosa): Mirakotra manontolo: Nifono t'y mihitsy ny Vazaha taloha rehefa hiady. Ahitsio |
Mifonitra [hery] | : | (fonitra) mt. s.: Mivonona tsara hanao zavatra ilana fanenjanan-tsaina (jar. Misikim-ponitra). Ahitsio |
Mifongofongo [hery] | : | (fongofongo) mt. s. (mifongofongoa): Misafoakan'ny hatezerana. ? Mifofotra miasa, miezaka fatratra. Ahitsio |
Mifongo [hery] | : | (fongo) mt, s. (mifongoa): Mijanona ao ampandriana mirakotra tsara; mibonoka, Ahitsio |
Mifongatra [hery] | : | (fongatra) mt, s. (mifongara): Enti-milaza zavatra tao anaty tany nohadina ka miseho. Ahitsio |
Mifondrofondro [hery] | : | (fondrofondro) mt. s. (mifondrofondroa): Mangataka mafy, mitalaho, miambezo, mitampesona. Ahitsio |