Litera k
Kamarabe: a: Anarana ilazana ny tanavavy rehefa antitrantitra, ka masiaka velona izy amin'izay.
tohiny
Kamaratsaka: (t. tr.) a: Varotra patsa, toho, sira, sns...
tohiny
Kamasina: a: Karazan'anana. Kamavo: Jer. Kimavo. Kamba ppt.: Ilazana zavatra na hevitra mifanohitra, mitovy amin'ny…tohiny
Kambana: a: Zaza roa, na mihoatra, indray aterak'olona anankiray: Nanao kam bantelo Rasoa ~ p. t.: Indray naterak'olona…tohiny
Kambanteny: a.: Teny roa na mihoatra nakambana hilazana hevitra na sokazin-javatra iray: Valalatsimandadiharona,…tohiny
Kambiaoma: (fr. cambium) a: Faritra mampitombo ny vatan-kazo, anelanelan'ny tapotsiny sy ny hodi-maleminy.
tohiny
Kambontenda: a.: Nofo kely roa an-kila sy an-danin'ny amboakelintenda, izay mety hivonto ka miteraka kohakohaka matetika…tohiny
Kambontsinay: a.: Kambo lava-lava mivohitra eo amin'ny tendron'ny tsinaibe, izay poaka aty ka ifatraran'ny zavajavatra…tohiny
Kamboty: a sady p.t: Maty ray sy reny na ny iray amin' ireo. ? h.i.: Entina milaza ny oriory sy osaosa ara-pivelomana.…tohiny
Kamenona: a.: Fimonomononana mandrakariva; fitarainana tsy misy fitsaharana. - t.i.f.: Kamenonina, voakamenona…tohiny
Kamenonina: (kamenona) mt. ih. (kamenony): Enti-milaza ny olona imonomononana: Aza izaho no kamenoninao eo.
tohiny
Kamentsona: a.: Fiteny mitsaontsaona tsy misy rindrany; finantsanantsanana fotsiny. ~ t.i f.: Kamentsonina, voakamentsona,…tohiny
Kamentsonina: (kamentsona) mt. ih. (kamentsony): Bedesina, anaovana teny be, ikafarana.
tohiny