Litera f

A B D E F G H I J K L M N O P R S T V Z
Fandroatra: (roatra) a.: Fiforonan'ny roatra amin'ny zavatra iray rehefa tenehina: Indray mipy maso fotsiny ny fandroatran'ny…tohiny
Fandroba: (roba) a.: Fomba entina maka an-keriny, mangorona an-keriny. tohiny
Fandrobahana: (robaka) a.: Fandoahana, fanagorobahana. tohiny
Fandrobaka: (robaka) a.: Fomba entina mandoaka migorobaka. ? p.t.: Azo gorobahina. tohiny
Fandrobana: (roba) a.: Fakana an-keriny, fangoronana ankeriny, fanosena. tohiny
Fandrobo: (robo) a.: Fomba entina mandrobo, mamitaka na mitaona amin'ny teny mamy. tohiny
Fandroboana: (robo) a.: Famitahana amin'ny teny mamy, fandokadokafana; fitaomana, fitarihana, fandrobohana. tohiny
Fandrobohana: (roboka) a.: Fanatsobohana, fanasaikana ao anaty rano: Toy izao no fandrobohana ny siny ao anaty rano.…tohiny
Fandroboka: (roboka) a: Fomba entina mandroboka, manasaika ao anaty rano, manatsoboka. tohiny
Fandrobona: na Fanorobona (robona) a.: Toetra na fomban'ny zavamaniry mandrobona na maniry tsara miroborobo: Mahafaly…tohiny
Fandrodahana: (rodaka) a.: Fandanilaniana betsaka tsy amin'antony, fitobatobana, firobarobana. tohiny
Fandrodahy: a.: Ahitra karazana fandrotrarana. tohiny
Fandrodaka: (rodaka) a.: Fomba entina mandrodaka na mandanilany foana. tohiny
Fandrodana: (rodana) a.: Fomba entina maniera amin'ny tany, mandrava. ? p.t.: Azo arodana. tohiny
Fandrodanana: (rodana) o.: Fanjerana amin'ny tany, fandravana: Ady mafy ny fandrodanana ny fanompoantsampy, tohiny
Fandrodaroda: (rodaroda) a.: Fomba entina mandanilanY foana. tohiny
Fandrodarodana: (rodana) a.: Fandanilaniana betsaka tsy misy antony. tohiny
Fandrodona: (rodona) a.: Fomba entina mandrodona na mandroaka biby miaraka be. tohiny
Fandrodorodo: (rodorodo) a.: Fomba entina mandrodorodo na mampandeha haingana. tohiny
Fandrodorodoana: (rodorodo) a.: Fanaovana zavatra haingana; fampanaovan-javatra haingana, fandodonana. tohiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0947