Fitango | : | (tango) a.: Fomba entina mitango, izany hoe manapaka amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na ny iaingon'ny anana; mana-Paka ny tongotra sy ny elatry ny valala. Ip.t.: Azo tangosana.
Ahitsio |
Fitangolehana | : | (tangolika) a.: Fifadidirana, fiolikolehana manodidina, fiolànana.
Ahitsio |
Fitangolika | : | (tangolika) a.: Toetran'ny zavatra mitangolika, izany hoe mifadiditra, miolikolika manodidina: Jereo ny fitangoliky ny tangolibahin' ny sarisarimbomanga.
Ahitsio |
Fitangongo | : | (tangongo) a.: Toetran' ny olona na biby na zavatra mitangongo na mivory betsaka ka miavosa na mifanakaiky mifanizina izaitsizy.
Ahitsio |
Fitangongoana | : | (tangongo) a.: Fivoriana betsaka miavosa na mifanakaiky mifanizina izaitsizy: Jereo ny fitangongoan' ny uitsika amin'ireto hotampary.
Ahitsio |
Fitangopetaka | : | (tangopetaka) a.: Toetran'ny zavatra mitangopetaka, fisaka, tabebaka.
Ahitsio |
Fitangorona | : | (tangorona) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitangorona, mivory betsaka manodidina tsy misy filaharana na filantoana.
Ahitsio |
Fitangoronana | : | (tangorona) a.: Fivoriana betsaka manodidina tsy misy filaharana na filantoan: Endre izany fitangoronan'ny ankizy teo amin' ilay mpampiseho majika.
Ahitsio |
Fitangosana | : | (tango) a.: Fanapahana amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na ny laingon'ny anana; fanapahana ny tongotra sy ny elatry ny valala.
Ahitsio |
Fitanika | : | (tanika) a: Fomba entina mitanika, izany hoe mahandro, mampangotraka, mampiempo: Faran'izay tsotra ny fitanika menaka. 1 Toetran'ny zavatra mitanika, izany hoe mahatonga hafana toy ny mampangotraka mihitsy: Ny fitaniky ny masoandro no tsy toha rehefa lohataona.
Ahitsio |
Fitanila | : | (tanila) a: Toetran' ny zavatra na olona mitanila, izany hoe mipetraka na mijoro tsy manatrika fa miraika amin'ny ilany iray.
Ahitsio |
Fitanilana | : | (tanila) a.: Fijoroana na fipetrahana tsy manatrika fa miraika amin'ny ilany iray: Manatrika no mahatsara ny sarin'ny sasany; ny fitanilana kosa ho on'ny sa-sans),
Ahitsio |
Fitanina | : | (tanina) a.: Fomba entina mitanina na mipetraka mitodika amin'ny afo na masoandro: Fa angaha moa misy fitanina andro maro karazana?
Ahitsio |
Fitaninana | : | (tanina) a.: Fipetrahana mitodika amin'ny afo na ny masoandro mba hahazo hafanana: Anisan'ny zavatra ankafizin'ny antitra ny fitaninana ondro.
Ahitsio |
Fitanisa | : | (tanisa) a.: Fomba entina mitanisa na mamisavisa, manonona tsirairay. 1 p.t.: Azo tanisaina.
Ahitsio |
Fitanisana | : | (tanisa) a.: Fanaovana tanisa. 1 Fanononana tsirairay: Hain'Ikoto ue ny fitanisana ny anaran'ny olona ao anatin'ny fianakauiana? 1 Filazalazana antsipiriany, famisavisana: Tsy naharitra aho fa nihataka tsy ta handre ny fitanisany ny fahoriany,
Ahitsio |
Fitanjahana | : | (tanjaka) a.: Fisehoan'ny vatana tsy misy manarona azy.
Ahitsio |
Fitanjaka | : | (tanjaka) a.: Fomba entina mitanjaka.
Ahitsio |
Fitankosina | : | (tankosina) a.: Fomban'ny olonamitankosin, manafotetaka ny tenany, mihosina, mitavona amin'ny vovoka na fotaka.
Ahitsio |
Fitankosinana | : | (tankosina) o,: Fihosinkosinana, fanafotetahana loto amin'ny tena: Oadray ity fitankosinan'ny zanakao amin'ny vouoka, Rasoa! / Fifanosonan-javatra matevina izay toa manjary loto hafahafa: NY fitankosinan'ny fotaka omin'ny akanjo fotsy no karazan-jauatra mahatsikaiky indrindra.
Ahitsio |