Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitamby: (tamby) a.: Fomban' ny olona mitamby, mikarama. Ahitsio
Fitampenana: (tampina) a.: Fisiana tampina, zavatra manentsina na manakona: Tsy azo amboarina intsony io fa fitampenana ihany sisa fanafodiny. Ahitsio
Fitampesona: (tampesona) a.: Fomba entina mitampesona, mangataka sesilany, mitambezo tsy miato. Ahitsio
Fitampesonana: (tampesona) a.: Fangatahana sesilany, fitambezoana tsy miato manao hata-piso: Aoka izay ny fitampesonanao fa tsy hahazo na inona na inona amiko akory ianao. Ahitsio
Fitampifiana: (tampify) a,: Fisisihana miery eo anila, fisisihana ho eo anila noho ny fitadiavana fiarovana: Rehefa miss) atahorany, ny zavatra voalohany ataon'ny zaza, dia ny fitampifiany amin'ny reniny, 1 Fiankinana, fipetahana mifanoroka amin'ny...: Tsy mahasalama ny fitampifian'ny tranon'akoho amin' ny trano lehibe. Ahitsio
Fitampify: (tampify) a,: Fomba entina mitampify, misisika ho eo anila noho ny tahotra na fitadiavana fialofana. Ahitsio
Fitampina: (tampina) a.: Toetran'ny zavatra mitampina, misy tampina: Mividiana vaouao fa mampihomehy ny olona ny fitampin'iny palitaonao in y. Ahitsio
Fitampisahana: (tompisaka) a.: Firaiketana amin-javatra iray, fiankinana akaiky dia akaiky, famitsahana ao ambadika, ao anaty...: NY fitampisahany tao anaty ahitra no tsy nahitan'ny fahavalo azy. 1 Fiafenana, fierena: Noho ny fitampisahany tao an-tranonay no tsy nahazoan'ny mpanenjika azy. Ahitsio
Fitampisaka: (tampisaka) a.: Toetran'ny zavatra mitampisaka, miraikitra amin-javatra iray. Ahitsio
Fitampoha: a.: Fampandroana ao anaty rano mandeha ny sisan-taolan'ny razan'ny mpanjaka sakalava, izay atao amim-pomba lehibe arahindanonana isaky ny folo tao-na. Ahitsio
Fitana: (tana) a.: Fomba entimitana: Izao no fitana sabatra raha tsy hainao. 1 p.t.: Azo tanana: Tsy fitana intsony izany fomba izany ankehitriny, Ahitsio
Fitana: (ita) a.: Toerana misy ny rano marivo robohina mba hahatongavana eny andafin'ny rano, ¶ M.h.: Fitsakana. Ahitsio
Fitanàka: (tanàka) a.: Fomban' ny olona mitanaka, izany hoe mivanaka, ny vava tsy afa-mikombona intsony no-ho ny figagana. Ahitsio
Fitanana: (tana) a.: Ody fihazonana, araka ny hevitry ny Ntaolo. Ahitsio
Fitanana: (tana) a.: Fitazonana: TsY hainao ny fitanana sabatra. / Fihazonana: Sarotra ny fitanana io rasa io ao on-trano, / Tsy famelana hivoaka na handeha na handositra, fampihibohana: Ny fitanana am-ponja no sazy ataon'ny fanjakana ho an'ireo nahavita heloka bevava 1 Fitehirizana: Mitory toe-tsaina ratsy ny fitanana fanafody hamelezana ny sasany. Ahitsio
Fitanatana: (tanatana) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitanatana (varavarana, vava, lavaka). Ahitsio
Fitanatanana: (tanatana) a.: Fisokafana tanteraka (varavarana, vava, lavaka): Nahatsiravina ny fitanatanan'ilay lavaka teo an-kavanan-dalanay. Ahitsio
Fitandaharana: (tandahatra) a.: Filaharana lava mitandavana. Ahitsio
Fitandahatra: (tandahatra) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitandahatra, milahatra lava mitandavana. Ahitsio
Fitandrantandrana: (tandrantandrona) a.: Fomba entina mitandrantandrana, mijeriiery miherikerika etsy sy eroa toy ny olona bado. Ahitsio