Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitambazana: (tamby) a.: Fikaramana, Ahitsio
Fitambelona: (tambelona) a.: Toetran'ny olona mitambelona, izany hoe miverina aina indray rehefa avy torana na safotra. Ahitsio
Fitamberenana: (tomberina) a.: Fandehanana sy fiverenana, fivezivezena, fivoivoizana, fihodinkodinana eo an-toerana ihany. Ahitsio
Fitamberina: (tamberina) a.: Fomban'ny olona mitamberina na mandeha sy miverina, mivezivezy. Ahitsio
Fitamberiverena: (tamberivery) a.: Fisodisodiana. Ahitsio
Fitamberivery: (tamberiaery) a.: Fomba na toetran'ny olona mitamberivery na misodisody. Ahitsio
Fitambesarana: (tambasa tra)a.: Fanindriana na fiankinana mafy amin'ny...: Ny fitambesaran'ny tafo amin'ny rindrina no ilana ny fahamafison'ny rindrina, Ahitsio
Fitambesatra: (tambesatra) a.: Toetran'ny zavatra mitambesatra, izany hoe manindry na miankina mafy amin'ny... Ahitsio
Fitambezo: (tambezo) a.: Fomba entina mitambezo na mangataka fatratra tsy misy fiatoana sy sesilany. 1 p.t.: Azo tambezoina. Ahitsio
Fitambezoana: na Fitambezonana (tambezo) a.: Fangatahana fatratra tsy misy fiatoana sy sesilany; fiverenana amin'izay efa nangatahina fhany: Tsy naharitra ny fitambezoan-janany izy ka nividy ilay famataranandro nohirifany ihany, Ahitsio
Fitambinana: (tambina) a.: Fanampiana, fanohanana: Mioelona amin'ny fitambinandray aman-dreniny azy ny tokantranon-dRakoto sy Rasoa. Ahitsio
Fitambitamby: (tambitam6y) a.: Fomba entina mitambitamby na mitady sitraka, mi-la ranondranony. Ahitsio
Fitambolenana: (tambolina) a.: Fihodinkodinana na fiolanolanana eny am-pandehanana. Ahitsio
Fitambolina: (tambolina) a.: Toetran'ny zavatra mitambolina, na mihodinkodina, miolanolana eny am-pandehanana. Ahitsio
Fitambongana: (tambongana) a.: Toetran'ny zavatra mitambongana na mitambatambatra mivongambongana. Ahitsio
Fitambonganana: (tambongana) a.: Fitambatambarana mivongambongana. Ahitsio
Fitambororotana: (tambororotra) a.: Fikororosiana, firiotana midina, fitaredretàna. Ahitsio
Fitambororotra: (tambororotra) a.: Toetran'ny zavatra mitambororotra, mikororosy, miriotra midina. Ahitsio
Fitambotsorana: (tombotsotra) a.: Fidinana ambany, fikorisana midina: Tsapao matetika ny zanakao ao am-babena fa mety hianjera noho ny fitambotsorany. 1 Tsy fahajoroana ka mianjera: Tsy nisy nahita ny fitambotsorany tamin'izy torana. 1 Fihenana, fihaosana, fandrorona: Hita mazava izao ny fitambotsorany amin'ny fahaizamiteny. Ahitsio
Fitambotsotra: (tombotsotra) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitambotsotra, midina ambany, mikorisa midina, mihena, mitakemotra. Ahitsio