Fitaina | : | (taina) a.: Fomba entina mitaina, izany hoe mandrehitra, mampiasa ho kitay. 1 p.t.: Azo ataina, ampiasaina ho kitay; arehitra atao kitay: Tsy fitaina, hono, itony hazo itony fa mahaboka raha ataina.
Ahitsio |
Fitainana | : | (taina) a.: Fandrehetana, fampiasana ho kitay: Manetroka izaitsizy ny fitainana bozaka.
Ahitsio |
Fitaingenana | : | (taingina) a.: Fiakarana na fipetrahana eny ambony zavatra: Noraran'i dada ny fitaingenana eny ambony hazo. 1 Fipetrahan eo ambony na ao anaty fiara mandeha: Mila fahaizana mampifandanja tsara ny lanjan'ny tena havia sy havanana ny fitaingenana bisikileta.
Ahitsio |
Fitaingina | : | (taingina) a.: Fomba entina mitaingina, miakatra na mipetraka eo ambony zavatra. / p, t.: Azo taingenana, azo itaingenana.
Ahitsio |
Fitaingo | : | (taingo) a.: Fomba entina mitaingo na manapaka ny lafngon-javamaniry. 1 p. t.: Azo taingosana.
Ahitsio |
Fitaingosana | : | (taingo) a.: Fanapahana ny laingon-javamaniry.
Ahitsio |
Fitaintainana | : | (taintaina) tebitebena amin'izay ho avy fa toa hisy loza ho tonga ilrany: Tay hita holazaina ny fitaintainanay tao am-piandrasana ny taratasinareo.
Ahitsio |
Fitaitaizana | : | (taitay) a.: Fahamaikana, fahadodonana: Loza ny fitaitaizanay handre ny valim-panadinana.
Ahitsio |
Fitaitay | : | (taitay) a.: Fomba entina mitaitay na maneho fahamaikana, fahadodonana.
Ahitsio |
Fitaiza | : | (taiza) a.: Fomba entina mitaiza na mikarakara mba hanasoa sy mba hahaolom-banona: Tsara fitaiza ny zozo apetraka amin'io zazavavy io. 1 Teny enti-milaza izay rehetra tehirizina ha-tao fiandry an-tratra: Fanafody atao fitaiza mihitsy ny anay ny fanazava.
Ahitsio |
Fitaizana | : | (taiza) a.: Fikarakarana izay hahasoa sy fanaovana izay haha-olom-banona: Mazàna arakaraka ny fitaizana azy no maha-tsara na ratsy ny toetran'ny zaza.
Ahitsio |
Fitaka | : | a.: Teny na zavatra toa marina nefa diso entina hanambakana: Tsy misy fitaka izany lazaiko anao izany na kely aza 1 Hafetsena entina hanambakana: Fanekena na-tao am-pitaka io ka tsy.ekena. - t.i.f.: Fitahina, voafitaka ( mamitaka, famitaka, mpamitaka / amitahana, famitahana / mifitaka, fifitaka ) ifitahana, fifitahana ( mahafitaka 1 fitapitaka. - F.-p.: Mamaia am-pitaka: mamely an-kafetsen tampoka. / Ny toky fitaka, ny atao no hita: ny fanomezan-toky nety ho fitaka ihany, fa ny a-sa atao no tena azo ianteherana.
Ahitsio |
Fitakarina | : | (takarina) a.: Fomba entina mitakarin na mandeha miresaka na mihinana any an-tranon'olona,
Ahitsio |
Fitakarinana | : | (takarina)a: Fandehanana hiresaka nahihinna any an-tranon' olona.
Ahitsio |
Fitakatsihana | : | (takatsika) a.: Firaisan-tetika mba hamitaka.
Ahitsio |
Fitakatsika | : | (takatsika) a.: Fomba entina mitakatsika na miray tetika mba hamitaka.
Ahitsio |
Fitakemorana | : | (takemotra) a.: Fihemorana, fiverenan-dalana noho ny henatra na tahotra: Tsy mendrika ny olona manan-kerimpo ny fitakemorana,
Ahitsio |
Fitakemotra | : | (takemotra) a.: Fomba entina mitakemotra, mihemotra miverin-dalana noho ny henatra na tahotra.
Ahitsio |
Fitakiana | : | (taky) a.: Fakana amin'ny fomba hentitra amin' olona ny zavatry ny tena any aminy (na vola notrosainy izany na zavatra nindraminy): Fitakiana trosa. 1 Fakana amin'ny fomba hentitra zavatra tsy maintsy aloany: Fitakiana hetra.
Ahitsio |
Fitakibohana | : | (takiboka) a.: Fizihirana, fihandronana.
Ahitsio |