Fitafoforana | : | (tafofotra) a.: Fitsofan'ny rivotra mafy.
Ahitsio |
Fitafofotra | : | (tafofotra) a.: Toetran'ny rivotra mitafofotra na mitsoka mafy: Amin' ny rioo-doza, ny fitafofotry ny rivotra no loza noho ny fifafin'ny orana.
Ahitsio |
Fitafotafo | : | (tafotafo) a.: Toetran'ny zavatra feno hatramin'ny morony, safononoka.
Ahitsio |
Fitafy | : | (tafy) a.: Fomba entina mitafy, izany hoe manisy lamba manarona ny tena: Somary agoragora no fitafin' ny vehivavy sasany lamba rehefa mianjaika. ~ p.t.: Azo tafina: Tsy mba fitafY itony lamba itony, ry Bozy a!
Ahitsio |
Fitaha | : | (taha) a.: Fampitoviana.
Ahitsio |
Fitahana | : | (taha) a.: Fifaninanana, fisehoana milahatra hahitana izay tsars: Heverinao moa fa matahotra ny fitahana amin'iny olona iny aho?
Ahitsio |
Fitahiana | : | (tahy) a,: Fanampiana, fitsimbinana: Sitrana ihany izy noho ny fitahian' Andriamanitra.
Ahitsio |
Fitahina | : | (fitaka) mt.ih, (fitaho): Laingaina, ilazana tsy marina: Nofitahin'ialahy a-ho fa hay tsy tonga akory Rakoto dia nantsoin'ialahy aho. ? Ambakaina: MbĂ matahotra an'Andriamanitra fa aza ny adala no fitahina. ? Fetsena, angalarana an-kafetsena, solokina: Nofitahin' ilay karilahy iny ny raiko ka nahazoany vola roanjato.
Ahitsio |
Fitaho | : | (taho) a.: Fomba entina mitaho na mizara, mitantana toaka amin'ny namana.
Ahitsio |
Fitahoana | : | (taho) a.: Fizarana na fitantanana toaka amin' ny namana.
Ahitsio |
Fitahontahona | : | (tahontahona) a.: Fomban'ny olona mitahontahona, na midrahodraho, mitaraikiraiky.
Ahitsio |
Fitahontahonana | : | na Fitahontahona (tahontahona) a.: Fitavozavozana, fidrahodrahoana, tsy fahakingana, fitaraikfraikena: Ny fitahontahonany, ny fitahontahony no nanalan'ny mpampiasa azy.
Ahitsio |
Fitahy | : | (tahy) a.: Fomba entina mitahy, manampy, mitsimbina.
Ahitsio |
Fitaika | : | (taika) a.: Toetran'ny zavatra mitaika na mipatraka, milatsaka mahalankalana: Ny fitaikan'ny patrakala. 1 Filatsahan'ny rano mahalankalana: Ny fitaikan'ny orana no nahatonga anay handeha fa mbola mamy tokoa ny resaka.
Ahitsio |
Fitaikataika | : | (taikataika) a.: Fomban'ny olona mitaikataika, na ratsy famindra manainga ny sandry sy ny tongotra rehefa mandeha.
Ahitsio |
Fitaikataikana | : | (taikataika) a: Famindrana somary mitsamboamboatra, ny tanna sy ny tongotra afngaina toa akipilipily.
Ahitsio |
Fitaikotaiko | : | (taikotaiko) a.: Fomban'ny olona mitaikotaiko, izany hoe mamindra mitsiparaka na somary mievotrevotra noho ny hakevohana.
Ahitsio |
Fitaikotaikoana | : | (taikotaiko) a.: Famindrana mitsiparaka na somary mievotrevotra noho ny hakevohana.
Ahitsio |
Fitailana | : | (tailana) a.: Toetran'ny zavatra mitailana, vilana, misomaradimbana.
Ahitsio |
Fitailanana | : | (tailana) a.: FahavilĂ nana.
Ahitsio |