Fitaboroahana | : | (taboroaka) a.: Fivoahana ambadiky ny lava-ka.
Ahitsio |
Fitaboroaka | : | (taboroaka) a.: Toetran'ny zavatra mitaboroaka, mivoaka any ambadiky ny lavaka.
Ahitsio |
Fitaborobahana | : | (taborobaka) a.: Fahagorobahana.
Ahitsio |
Fitaborobaka | : | (taborobaka) a,: Toetran'ny zavatra mitaborobaka, gorobaka, loaka tanteraka.
Ahitsio |
Fitabotetahana | : | (tabotetaka) a.: Fipetrahan-javatra mitabotetaka, izany hoe mifotetaka amin'ny fanambaniny.
Ahitsio |
Fitabotetaka | : | (tabotetaka) a.: Toetran'ny zavatra mitaboretaka, izany hoe mipetraka mifotetaka, tsy miarina tsara fa mova tsy ny miroraka.
Ahitsio |
Fitadiavana | : | (tady) a.: Fizahana na fizahavana; fikarohana: Sarotra ny fitadiavana raharaha amin'izao fotoana izao. ? Fomba ahazoana na ahitana vola hivelomana: Mitaona entana eny an-tsena no fitadiavan'io Rangahy io,
Ahitsio |
Fitadidiana | : | (tadidy) a.: Fahatsiarovana.
Ahitsio |
Fitadidy | : | (tadidy) a.: Fomba entina mitadidy na mahatsiaro: Asiana vona kely ny lambany: izany no fitadidin' ny Ntaolo ny hafatra ixay natahorany sao hadino. 1 P. t.: Tsara hotadidina: Vanin' andro fitadidy ny andro androany ka soraty ao amin' ny diary,
Ahitsio |
Fitady | : | (tady) a.: Fomba entina mitady, mikaroka, mizaha: Tsy toy izao no fitady zavatra ao anaty mololo e! ? p.t.: Azo tadiavina, atao hotadiavina: Ny vola fitady, rankizy, ka aza kivy raha sendra maty antoka.
Ahitsio |
Fitady | : | (tady) a.: Toetran'ny zavatra vita tady.
Ahitsio |
Fitafa | : | (tafa) a.: Fomba entina mitafa, izany hoe miresaka lavareny toa entina mandany andro.
Ahitsio |
Fitafasiriana | : | (tafasiry) a.: Fanaovana tafasiry na resaka mahasoa, firesahana mahasoa.
Ahitsio |
Fitafasiry | : | (tafasiry) a.: Fomba entina mitafasiry na manao resaka mahasoa.
Ahitsio |
Fitafiana | : | (tafy) a.: Fitondrana lamba handrakofana ny te-na: Ny fitafiana lamba arindrano, hono, taloha dia nitorY fananan-karena. ? Filazana ankapobeny ny zavatra entin'ny olombelona mandrakotra ny vatan-tenany (ny fitafiana dia natao ho takon-kenatra sy fiarovana amin'ny toetr'andro mivadibadika aloha tany an-tendrony, ary dia naniary ho haingo koa taty aoriana noho ny olombelona tia endri-javatra).
Ahitsio |
Fitafiiafy | : | (tafitafy) a.: Toetran'ny varavarana mitafitafy na mivoha kely tsy mirindrina tsara: Reko daholo ihany ny resakareo, na dia tsY niheuitra ny hihaino aza aho, noho ny fitafitafin'ny varavarana..
Ahitsio |
Fitafitafiana | : | (tafitafy) a,: Fivohan'ny varavarana mivoha sasaka.
Ahitsio |
Fitafo | : | (tafo) a,: Toetran'ny trano mitafo,
Ahitsio |
Fitafoahana | : | (tafoaka) a.: Fahafenoana be loatra ka mihoa-pefy; famorivoriana, fandroatana, fisafoahana.
Ahitsio |
Fitafoaka | : | (tafoaka) a.: Toetran'ny rano mitafoaka na feno mila hihoatra, na mamorivory.
Ahitsio |