Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisoloana: (solo) a.: Fanaovana ny asan'ny.,., fitanana ny toeran'ny,..: Ianao no nahatonga ny mpiasako handeha ka ionao no tompon'andraikitra amin' ny fisoloana azy. Ahitsio
Fisolontsolona: (solontsolona) a.: Fomba entin'izay misolontsolona, misosososo aminkasahiana tsy misy tahotra. Ahitsio
Fisolontsolonana: (solontsolona) a.: Fisosososoana aminkasahiana tsy misy tahotra: Tafintohina Rasoa tamin'ny fisolontsolonan-dRamavo tany aminy, Ahitsio
Fisolotihana: (solotika) a,: Fahalotoana mitsaporetika, ana tsikoko miaraka amin' ny menaka: Ny fisolotihan' ity zaza ity no tsY andraisan' ny mpampianatra azy hiditra hianatra. Ahitsio
Fisolotika: (solotika) a.: Toetran'ny zavatra na olona misolotika, maloto mitsaporetika, misy tsikoko miaraka amin'ny menaka. Ahitsio
Fisomadodoka: (somadodoka) a: Fahamaikana izaitsizy, fikorododoana, firotorotoana: Endre ny fisomadodoky ny mpianatra hijery lanonana. Ahitsio
Fisomàka: (somàka) a: Toetran'ny zavatra misomaka, tailam-pandidy, somaradimbana. Ahitsio
Fisomatrotroka: (somatrotroka) a.: Toetran'ny hoditra na ny endrika somatrotroka, na mibonabona mivonto. Ahitsio
Fisomebiseby: (somebiseby) a.: Fibeninkenenana etsy sy eroa, fisahiranana mankatsy mankaroa: Izany fisomebisebin-dry zareo tompon-draharaha amin'ny famadihana! Ahitsio
Fisomedika: (somedika) a.: Toetran'ny olona misomedika na maniry mafy hanao zavatra nefa tsy afa-manoatra. Ahitsio
Fisomidika: (somidika) a.: Toetran'ny zavatra misomidika, izany hoe misy menaka mitsinkafona ambonin'ny ras no: Jereo ny fisomidik'it? ro; aza dia mahery mihinana amin'io sao dia marary kibo. Ahitsio
Fisomoratsoratra: (somoratsoratra) a.: Toetran'ny zavatra misomoratsoratra na mitentina soratsoratra. Ahitsio
Fisomparana: (sompatra) a. : Fanaovana izay hahavoa ny ha-fa, fihetraketrahana, fanimbana: Fisomparan'ny hafa no nahavoa azy fa tsy mba aretina tsotra akory. Ahitsio
Fisompatra: (sompatra) a.: Fomba entina misompatra na manao izay hahavoa ny sasany, manimba,mihetraketraka. ? p.t.: Azo somparana na simbana, asiana ratsy. Ahitsio
Fisompirana: (sompirana) a.: Fomba entina misompirana, na mihilana. Ahitsio
Fisompiranana: (sompirana) a.: Tsy fahitsiana tsara, fiolahana, tsy fandehanana mahitsy rehefa mandeha, tsy fivantanana: Fisompiranana tany ambadiky ny trano no nahazoana ilay mpangalatra. ~ Fihilanana, fitongilanana: Fisompiranana no hahazoana miditra ao anatin'io zohy io, Ahitsio
Fisonàka: (sonaka) a.: Fomba entina misonàka na mierotra mifônaka. Ahitsio
Fisonanahana: (sonanaka) a.: Fipetrahana misonanina tsara: Nihomehy daholo ny zafy kelin-dRainikoto nahita ny fisonanahan-draibeny teo ambony seza fiandrianany. Ahitsio
Fisonanaka: (sonanaka) a.: Fomba entina misonanaka, na mipetraka Inisonanina tsara. Ahitsio
Fisonanina: (sonanina) a.: Fomba entina misonanina na mipetraka milamina ary amimpahamendrehana. Ahitsio