Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisolana: (sala) a.: Fanakakasana ny loha tsy hisy volo: A-nisan'ny dingana voaiohandohany amin'ny firosoana ho pretra ny fisolona taloha. Ahitsio
Fisolanandrana: (solanandrana) a.: Fomba entina misolanandrana, na milanjalanja loha, mianjonanjona. Ahitsio
Fisolanandranana: (solanandrana) a.: Filanjalanjana loha, fianjonanjonana. Ahitsio
Fisolanga: (solanga)a.: Toetran' ny zavatra misolanga na miainga dia milavo any aoriana; toetran'ny tandrok'omby somary mankany ivoho ny lohany. Ahitsio
Fisolangana: (solanga) a.: Fiaingana dia filavoana any aoriana. Ahitsio
Fisolantsolana: (solantsolana) a.: Toetra na fomban'ny olona misolantsolana, na mamindra feno anjona sy miandranandrana. Ahitsio
Fisolantsolanana: (solantsolana) a.: Famindra feno anjona sy miandranandrana. Ahitsio
Fisolarana: (solatra) a.: Fisilahana, fiempahana, fikipahana. Ahitsio
Fisolatra: (solatra) a.: Toetran' ny zavatra misolatra, na misilaka, miemp aka. Ahitsio
Fisolelahana: (solelaka) a.: Fandokadokafana sy fanolikolena fatratra hahazoana zavatra: Mitory toetra ambany dia ambany ny fisolelahana. Ahitsio
Fisolelaka: (solelaka) a.: Fomba entina misolelaka na mandokadoka fatratra sy manolikoly mba hahazoana zavatra. Ahitsio
Fisolifahana: (solifaka) a.: Fibolisarana mivilana. Ahitsio
Fisolifaka: (solifaka) a: Toetran'ny zavatra misolifaka na misolifatra, mibofisatra. . Ahitsio
Fisolifarana: (solifaka) a.: Fibolisarana: Ny fisolifaran'ny tongony no nahalavo azy. Ahitsio
Fisolifatra: (solifatra) a.: Fomba entina misolifatra na misolifaka, mibolisatra. Ahitsio
Fisolihana: (solika) a.: Famitahana, fanolikolena amin'ny fomba tsy mendrika; fisolelahana. Ahitsio
Fisolika: (solika) a.: Fomba entina misolika, na mamitaka, manolikoly amin'ny fomba tsy mendrika. ~ p, t.: Azo fitahina na kolikolena. Ahitsio
Fisolila: (solila) a.: Toetran' ny zavatra misolila, na misobilatra, misompirana. Ahitsio
Fisolilana: (solfia) a.: Fisobilarana, fisompiranana, Ahitsio
Fisolo: (solo) a.: Fomba entina misolo. Ahitsio