Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisointsoinana: (sointsoina) a.: Fihatahana menamenatra mangaihay. Ahitsio
Fisoirana: (soitra) a.: Fisavasavana ny lavenona na ny vain' afo amin'ny hazo kely lava-lava; fakana voankazo amin' ny hazo marani-doha; fandentehan'ny omby ny tandrony amin'ny tany. Ahitsio
Fisoitra: (soitra) a.: Fomba entina misoitra, misavasava ny lavenona na ny vain'afo amin'ny hazo kely mba hirehetan'ny afo tsara. ? p.t.: A-zo soirina. Ahitsio
Fisoitrafo: (soitra afo) a: Tapa-kazo fisoirana na fanalana sy fanllihana ny afo ao ampatana mba hampirehitra azy tsara. * Ohab.: May loha tsy mba mihinana tahaka ny fisoitrafo: enti-milaza ny olona maty misahirana mafy, nefa tsy mba mahita soa firy amin' izay isasarany. Ahitsio
Fisoka: (soka) a.: Fomba, toetran'ny zavatra misoka, na miroboka ao anaty rano. Ahitsio
Fisokafana: (sokatra) a.: Fivohana: Amin'ny 8 ora ny fisokafan'ny trano fiasana omin'ny maraina. ~ Fitanatana: Mahatahotra ahy ny fisokafan'ny vavan'ity biby be 1t9. i• Fialan'ny saron'ny zavatra iray: Samy niandry ny fisokafan'ny vilany ny ankizy fa toa hisy inona ihany tao. ? Fahazoana manao, miasa, mampiasa, mihaza...: A-min'ny herinandro ambony, hono, ny fisokafan'ny lalana mankany Morondaua. Ahitsio
Fisokaka: (okaka) a.: Toetran' ny zavatra misokaka, izany hoe tsy miady mitsetaka tsara fa mihataka etsy sy eroa, na misokatra be. Ahitsio
Fisokatra: (sokatm)a.: Toetran' ny zavatra misokatra na mivoha, mitanatana, miala sarona. Ahitsio
Fisokatrehana: (sokatrika) o.: Fipetrahana miharihary ho hita tsara eo anoloana, fipetrahana miatrikatrika tsars; firantirantiana. Ahitsio
Fisokatrika: (sokatrika) a: Fomba entina misokatrika na mipetraka miharihary ho hita tsara eo anoloana. Ahitsio
Fisokiky: (sokiky) a.: Fomba na toetran'ny olona misokiky; na mamokaiky mitampifimpify noho ny tahotra na ny henatra. Ahitsio
Fisokirana: (sokitra) a: Fanaovaria sarin-javatra amin'ny fandoahana ao anaty hazo: Tsy vita haingana ny fisokirano it? sary misy olona ma-ro miasa ity. ? Fanalana tsy ho eo amin'ny toerana iray: Fisokirana angely ao anaty lauany, [r Fanerena olona mba hiteny: Nikezaka aoka izany izy tamin'ny fisokirana ahy hilaza ilay tsiambaratelo fa tsy nisoka-bava aho. Ahitsio
Fisokitra: (sokitra) a.: Fomba entina misokitra na manao sarin-javatra amin'ny fandoahana ao anaty hazo. Ahitsio
Fisoko: na Fisokoana (soko) a.: Fidirana tsimoramora: Tsarovy fa lasa ohatra ny fisokon'ny ron-gisa hilazana zavatra mitsofoka tsimoramora nefa misy asany. • Fitsofohana mangingina tsy misy mahita: Tsy azo anomezan-tsiny azy ny fisokoany namangy ny havany tany amin'ny hopitaly. Fangalaran-javatra mangingina: Tsy hita mihitsy ny fisokoan'ny adala an'ilay bokiko. 1 Fanampohana, fisovohana: Ny fisokoan'ny fahavalo. Ahitsio
Fisoko: (soko) a,: Toerana voavala ho an'ny biby ompiana (akoho, vorona, ondry, kisoa...). (Saika mazàna voatery miondrika rehefa miditra ao ka izany no nahatonga io anarana io). Ahitsio
Fisola: (sala) a.: Toetran'ny olona sola loha. Ahitsio
Fisolafahana: (solafaka) a. : Fibolisarana: Hoditr'akondro no nahatonga ny fisolafahany. 1 Fahalavoana noho ny halemena na tsy fahalalana: Fisolafahana ny an'ny betsaka fa tsy fanahy iniana akory. Ahitsio
Fisolafaka: (solafaka) a.: Fomba na toetran'ny olona misolafaka; na mibolisatra. Ahitsio
Fisolampiana: (solampy) a.: Toetran'ny zavatra kisolosolo, tsar marin-tampona; fandriana ila, fikisolosoloana: Tsy axa anorenan-trano ity tany ity noho ny fisolampian y. Ahitsio
Fisolampy: (solamPy) a.: Toetran'ny zavatra misolampy, na mandry ila, kisolosolo. Ahitsio