Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisitrika: (sitrika) a,: Fomba entina misitrika, milentika difotra ao anaty rano, miery ao anaty zavatra. Ahitsio
Fisivana: (sivana) a.: Toetran' ny zavatra nisivana, na nahintsana tamin'ny vy makarakara mba ho izay tsara sy madinika ihany no ho lasa fa ny ratsy voatana. Ahitsio
Fisivanana: (sivana) a.: Fandalovana amin'ny sivana, amin' ny makarakara vy fanintsanana. ? H.o.: Fifantenana, fitsikerana mba hahitana izay tsara ihany: Ireto mpihira ireto no uoatana taorian'ny fisivanana faharoa. ΒΆ M.h,: Fanintsanana. Ahitsio
Fisiviana: (sivy) a.: Fizarana ho tokony sivy: Tsy neken'izy valo mianadahy ny fisiviana ny lova satria, hono, efa maty ny fahasivy aminy izay tsy niteraka. Ahitsio
Fisivy: (sivy) a.: Toetran'ny zavatra nozaraina sivy. Ahitsio
Fisoahana: (soaka) a.: Fanoloana, fisoloana: Sarotra ny fisoahana olona tahaka azy in y, Ahitsio
Fisoaka: (soaka) a.: Fomba entina misoaka, misolo. Ahitsio
Fisobilahana: (sobilaka) a.: Fivaonana, fivilanana. Ahitsio
Fisobilairana: (sobilaitra) a: Fisolifahana, fahadisoana kely. Ahitsio
Fisobilaitra: (sobilaitra) a.: Fomba entina misobilaitra, misolifaka, manao hadisoana kely. Ahitsio
Fisobilaka: (sobilaka) a.: Toetran'ny zavatra misobilaka, mivaona, mivilana. Ahitsio
Fisobilarana: (sobilatro) a.: Fisompiranana, fisolilana. Ahitsio
Fisobilatra: (sobilatra) a.: Toetran'ny zavatra misobilatra, misompirana, misolila. Ahitsio
Fisodihana: (sodika) a.: Fanalana ny hoza-dravin'ny rofia; fanesorana vato kely madinika amin'ny vary, alohan'ny hitotoana azy; fikendrikendren'ny papango na ny hitsikitsika zavatra tadiaviny hofaohina ka ihodinkodinany; fisoneniky ny olona mandihy eo am-pandihizana. Ahitsio
Fisodika: (sodika) a.: Fomba entina misodika, manala ny hoza-dravin'ny rofia, na manesotra ny vato kely madinika amin'ny vary alohan'ny hitotoana azy, na mikendrikendry ny zavatra tadiavina (papango) hofaohina; na fisonenika eo am-pandihizana. Ahitsio
Fisodisodiana: (sodisody) a.: Fiverimberenana manodidina zavatra na olona imbetsaka toa mizaha taratra, fihaodihaodiana. Ahitsio
Fisodisody: (sodisody) a.: Fomba entina misodisody, na miverimberina manodidina zavatra na olona imbetsaka toa mizaha taratra. Ahitsio
Fisofina: (sofina) a.: Fitoviantsofina. Ahitsio
Fisohika: (sohika) a.: Toetran' ny olona misohika na mana-no sarotra rehefa miaina fa fohifohy fiaina ary misesisesy. Ahitsio
Fisointsoina: (sointsoina) a.: Fomban'ny olona misointsoina na mihataka menatra mangaihay. Ahitsio