Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisinganana: (singana) a.: Fandehanana irery, fiavahana amin'ny maro. Ahitsio
Fisingorana: (singotra) a.: Fahavoazana amin'ny tadivavarana: Mafy ka tsy afany ny fisingoran'ny tongotry ny omby. f• Fahavoazana mafy, fahasahiranana izaitsizy no-ho ny...: Sady maharary no mahamenatra ny fisingoran' ny volan'olona. Ahitsio
Fisingotra: (singotra) a.: Toetran'izay tratra na voan'ny tadivavarana. Ahitsio
Fisintahana: (sintaka) a.: Fialana ny tokantrano, fisarahana amin'ny vady: Ny uehivavy no manao fisintahana fa tsy ny lehilahy akory. Ahitsio
Fisintaka: (sintaka) a: Fomban' ny vehivavy misintaka, miala ny tokantrano, misaraka amin'ny vadiny. Ahitsio
Fisintona: (sintona) a.: Fomban'ny zavatra misintona, mihemotra, mihena, mikainkona, Ahitsio
Fisintonana: (sintona) a.: Fitaovana entina misintona, mandrirotra: Ity no hazo fisintonana ny varavarana. ? Fihenana: Fotoana fisintonan'ny rano izao. 1 Fihemorana, fikainkonana: TsY anerany ny fisintonan'ity lamba it? rehefa sasana. Ahitsio
Fisiontsiona: (siontsiona) a.: Fomban'ny olona misiontsiona, mivezivezy ats? sy ar?, mihataka somary menamenatra fa tsy tanteraka ny nokasaina. Ahitsio
Fisiontsionana: (siontsiona) a.: Fivezivezena ats? sy ary;fandehanana somary menamenatra fa tsy tanteraka ny nokasaina. Ahitsio
Fisirana: (isitra) a.: Fandavana na tsy fahafaliana na fanesoana aza. Ahitsio
Fisisiana: (aisy) a.: Fanalana ny mivohibohitra amin'ny hazo fisaka. Ahitsio
Fisisika: (sisika) a.: Fomba entina misisika na mitsofoka amim-pahakingana. ? Karazam-piravaka paingorina amin'ny akanjo, karazampaingotra zary haingo itanana fitafiana toy ny karavaty. Ahitsio
Fisisy: (sisy) a.: Fomba entina misisy, manala ny mivohibohitra amin'ny hazo fisaka. Ahitsio
Fisitaonina: (fr. feston) a.: Haingon'akanjo amboradara misy kinifinifiny mivolantsinana. Ahitsio
Fisitisitiana: (sitisity) a.: Fandehanana mitikintikina, famindrana feno hakevohana. Ahitsio
Fisitisity: (sitisity) a.: Toetran' ny olona misitisity, mande-ha mitikintikina, mamindra feno hakevohana. 1 Fandehanana mitikintikina: Endre izany fisitisitin'Ibalita nisantatra ilay akanjo kely uaouaony tamin'ny krismasy. Ahitsio
Fisitra: (isitra) a.: Fomba entina misitra na manda, maneso manao hoe °isitra". Ahitsio
Fisitrahana: (sitraka) a.: Fihaikana, fihantsiana ady. Ahitsio
Fisitraka: (sitraka) a.: Fomba entina misitraka, izany hoe mihantsy ady amin'ny fitenenana hoe "sitraka". Ahitsio
Fisitrihana: (sitrika) a,: Filentehana, fitsofohana lalina ao anaty rano: Marina ve ny filazan'ny ohabolana fa ny fisitrihan'ny vivy any anaty rano no nahabongo ny masony? ? Fierena, fiafenana: Ny fisitrihan'ilay mpangalatra tao an-trano no tsy nahitan' ny polisy azy ela. Ahitsio