Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisikiana: (siky) a.: Fandroahana biby amin'ny filazana hoe "siky". Ahitsio
Fisikina: (sikina) a,: Fomba entina misikina, mamehy lamba manodidina ny valahana. Ahitsio
Fisikinana: (sikina) a.: Fanaovana sikina, famehezana lamba manodidina ny valahana: Tsy zava-tsarotra akory ny fisikinana, fa afehy manodidina ny valahana fotsiny ny lamba. 1 Fiomanana, fivononana fatratra: Inona indray no handrasana? Tsy efa vita ue ny fisikinanareo amin' ity asa it?? Ahitsio
Fisilahana: (silaka) a.: Fiendahana, fihelahana. Ahitsio
Fisilaka: (silaka) a.: Toetra na fomban'ny zavatra misilaka, mielaka, misy ahafahana kely. Ahitsio
Fisilantsilana: (silantsilana) a.: Toetran'ny olona misilantsilana, mipelipelika, mihetsiketsika noho ny hajejoana. Ahitsio
Fisilantsilanana: (silantsilana) a.: Fipelipelehana, fihetsiketsehana noho ny hajejoana na ny hajefena. Ahitsio
Fisilarana: (silatra) a.: Fisiana dimbana kely. Ahitsio
Fisilatra: (silatra) a.: Toetran' ny zavatra misilatra, misy dimbana kely. Ahitsio
Fisilisiliana: (silisily) a.: Fitsitsiana mihoa-pampana, fahihirana. Ahitsio
Fisilisily: (silisily) a,: Toetran' ny olona mahihitra, kahidy. Ahitsio
Fisimahana: (simaka) a,: Fitsoahana, fiendahana. Ahitsio
Fisimaka: (simaka) a.: Toetran' ny zavatra misimaka, mitsoaka, miendaka. Ahitsio
Fisimba: (simba) a.: Fomba entina misimba, manisy ratsy, mamosavy, Ahitsio
Fisimbana: (simba) a.: Fanisiana ratsy, famosaviana. Ahitsio
Fisinda: (sinda) a.: Fomban'ny zavatra misinda, miala, misa-va: Ny fisindan'ny zavona. Ahitsio
Fisindahana: (sindaka) a.: Fihatahana amin'ny maro, fitokanana, fiolonolonana. Ahitsio
Fisindaka: (sindaka) a.: Fomba entina misindaka, mihataka amin'ny maro, mitokantokana. Ahitsio
Fisindana: (sinda) a.: Fihatahana, fialana, fanalavitana; fisavana. Ahitsio
Fisingana: (singana)a.: Toetran' ny olona na zavatra misingana, mandeha ixery, miavaka amin'ny maro. Ahitsio