Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiseranana: (serana) a.: Fandalovana vetivety dia lasa; fandalovana tsy maharitra: Nohirain'ny poety maro ny fiseranan'ny fiainana eto antany. Ahitsio
Fisesehana: (sesika) a.: Fidirana mirohotra an-keriny: Tsy tafiditra tao amin'ny trano fanaovam-pety aho noho ny fisesehan'ny olona. ~ Hafenoan-javatra be loatra toa naiditra natao letrezana:Tsy ahitana hipetrahana ny fisesehan'ny entana ato an-tranonareo. 1 Fihinanana manao be ambosika: Harary ity zaza ity noho ny fisesehany hanina be loatra. Ahitsio
Fisesena: (sesy) a.: Fifandimbiasana tsy misy fiatoana (ny teny hoe fisesy anefa no mazàna ampiasaina hilazana io hevitra io, jar. Fisesy). Ahitsio
Fisesika: (sesika) a.: Fomba entina misesika, na miditra mirohotra an-keriny, mihinana manao be ambosika. Ahitsio
Fisesy: (sesy) a.: Toetran'ny zavatra misesy; fifandfmbiasan-javatra matetika tsY misy fiatoana: Tsy nahovitana osa firy ny fisesin'ny fety tao ho ao izay. Ahitsio
Fisetaseta: (setaseta) a.: Fomba entina misetaseta, na mihetraketraka sy mianjonanjona tafahoatra. Ahitsio
Fisetasetana: (setaseta) a.: Fihetraketrahana sy fianjonanjonana tafahoatra. Ahitsio
Fisevosevo: na Fisevotsevoka (sevosevo, sevotsevoka) a.: Fomban'ny olona misevosevo na mLsevotsevoka, izany hoe maimay, mirotoroto, mikorododo. Ahitsio
Fisevosevoana: (sevosevo) a.: Fahamaimaizana, firotorotoana, fikorododoana. Ahitsio
Fisiahana: (siaka) a.: Famoahana feo kely mikiririoka avy amin'ny fanosehana ny rivotra amin'ny molotra sy ny nify; fanaovana feon-kira amin'ny siaka; fiantsoana a-min' ny siaka. Ahitsio
Fisiaka: (siaka) a.: Fomba entina misiaka, mamoaka feo kely mikiririoka amin'ny fanosehana ny rivotra amin'ny molotra sy ny nify. Ahitsio
Fisiana: (isy) a.: Toetran'ny zavatra misy, manana ny mahaizy azy: Ny fisian'ny fanahy dia eken'ny firenena malagasY, fa hoy izy hoe "Ny fanahy no olona". Ahitsio
Fisiantsiana: (siantsiana) a.: Fomba entina misiantsiana, mihataka amin'ny lalana marina. Ahitsio
Fisiantsianana: (siantsiana) o.: Fiviliana amin'izay tokony ho izy, fihatahana amin'ny lalana marina. Ahitsio
Fisidina: (sidina) a.: Fomba entina misidina, miezaka miakatra haingana eny amin'ny habakabaka. Ahitsio
Fisidinana: (sidino) a.: Fiakarana eny amin'ny habakabaka: Nampihorika ny vahoaka ny fisidinan'ny aroplanina teo ambonin'ny tandna ? Fandehanana haingana mitsoriaka: Lasa nihazakazaka any atsimon-trano any ilay mpangaiatra: tsy tra-maso ny fisidinany tao. ? Fisondrotana ambony amin'ny fahaizana, voninahitra, harena...: Tsy misy tsy gaga amin'ny fisidinan-dRakoto tamin'ny harena tata anatin'ny herintao na. Ahitsio
Fisidiondiona: (sidiondiona) a.: Fomba entina misidiondiona, miriorio na mandeha mivezivezy foana mba handositra adidy. Ahitsio
Fisidiondionana: (sidiondiona) a.: Firioriovana na fandehanana mivezivezy foana mba handositra adidy, hibolidy amin'ny raharaha. Ahitsio
Fisiforana: (sifotra) a.: Fangalarana zavatra madinidinika amim-pahakingana. Ahitsio
Fisifotra: (sifotra) a.: Fomba entina mangalatra amim-pahakingana. ? Mpangalatra kingalahY. Ahitsio