Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fiselaka: (selaka) a.: Toetran' ny zavatra miselaka na miendaka isan'elakelany; fisilaka. Ahitsio
Fiselarana: (selatra) a.; Fandalovana miserana, fisehoana mihelatra vetivety. Ahitsio
Fiselatra: (selatra) a.: Toetran' ny zavatra miselatra, mandalo vetivety. Ahitsio
Fiseliselena: na Fiseloseloana (selisely, seioselo) a.: Fandalovana na fipetrahana eo anoloan'olona mba hanelingelina azy. Ahitsio
Fiselisely: na Fiseloselo (selisely na seloselo) a.: Fomba entina miselisely na miseloselo, izany hoe mandalo na mipetraka eo anoloan'olona mba hanelingelina azy. Ahitsio
Fiselontselona: (selontselona) a.: Fomba entina miselontselona na mandalondalo, mivezivezy eo anoloan'olona. Ahitsio
Fiselontselonana: (selontselona) a.: Fandalondalovana, fivezivezena eo anoloan'olona: Sady tsy fahalalam-pom. ba no fanelingelenana ny sasany ny fiselontselonana eo anoloany. Ahitsio
Fiselotselorana: (selotselotra) a.: Fisalovanana ny raharahan'ny hafa. Ahitsio
Fiselotselotra: (selotselotra) a.: Fomba entina miselotselotra na misalovana ny raharahan' ny hafa. Ahitsio
Fisembana: (sembana) a.: Fomba entina misembana, miserana. Ahitsio
Fisembanana: (sembana) a.: Fandalovana miserana, fiseranana: Ny fùembanan'izany hevitra izany tao an-tsaiko no anton'ny niantsoako anao, Ahitsio
Fisemporana: (sempotra) a.: Fahasemporana, fisanehaka, fiehakehaka. Ahitsio
Fisempotra: (sempotra) a.: Toetran'izay misempotra na misanehaka. Ahitsio
Fisendahana: (sendako) a.: Fiendahana: Fisendahan'ny hodi-kazo. 1 Fiolonolonana: Hahantra Rangahy io noho ny ftsendahany amin'ny be sy ny maro; hadinony angaha fa "sy olona no harena". Ahitsio
Fisendaka: (sendaka) a.: Fomba entina misendaka na miendaka. Ahitsio
Fisenotsenohana: (senotsenoka) a.: Fisahiranana izaitsizy, fiheninkenina. Ahitsio
Fisenotsenoka: (senotsenoka) a.: Toetran'izay misenotsenoka, na misahirana fatratra, miheninkenina. Ahitsio
Fisento: (sento) a.: Fomba entina misento na maka fofon' aina lava vokatry ny alahelo. Ahitsio
Fisentoana: (sento) a,: Famoahan-tsento: Mety hankarary ny fisentoana matetika. ~ Fiatoana kely: Tokony hasiana fisentoana kely aorian'ny tapany voalohany amin'ity asa ity. Ahitsio
Fiserana: (serana) a.: Fomba na toetran'ny zavatra miserana na mandalo vetivety. Ahitsio