Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisazohana: (sazoka) a.: Fitakiana tsy an-drariny; fakana an-keriny, tsy an-drariny: Ny fisazohany zavatr'olona no nahatonga azy higadra. Ahitsio
Fisazoka: (sazoka) a.: Fomba entina misazoka na maka ankeriny, tsy an- drariny. Ahitsio
Fisebisebena: (sebisebY) a.: Fihetsiketsehana, fivezivezena ats? ar?: Mampanahinahy ahy ity fisebiseben'ny vahoaka, Ahitsio
Fisebiseby: (sebiseby) a.: Fomban'ny olona misebiseby, mihetsiketsika, mivezivezy ats? ax?. Ahitsio
Fisedisedena: (sedisedy) a.: Hamaimaizana, fivezivezena ats3' arj' amim-pikorapahana. Ahitsio
Fisedisedy: (sedisedy) a.: Toetran'ny olona misedisedy, maimay, mivezivezy ate ar? amim-pikorapahana. Ahitsio
Fisedra: (sedra) a.: Fomba entina misedra na mitsapa ny hatsara na hamafin'ny zavatra iray. Ahitsio
Fisedrana: (sedra) a.: Fitsapana ny hatsara na hamafin'ny zavatra iray: Ny memy no fisedrana ny metaly. Ahitsio
Fisefahana: (sefaka) a.: Fitriarana, fitsefahana. Ahitsio
Fisefaka: (sefaka) a.: Toetran' ny zavatra misefaka, mitriatra. Ahitsio
Fisefosefo: (sefosefo) a.: Fomban'ny olona misefosefo na miaina mafy na miaina manano sarotra misesisesy. Ahitsio
Fisefosefoana: (sefosefo) a.: Fiainana mafy na fiainana manano sarotra misesisesy: Henoy ange izany fisefosefon' Ikoto e! tsapao fa sao dia manavY izy izao. Ahitsio
Fisehafana: (sehaka) a.: Fakana fofon'aina mafy, fisefosefoana mafy. Ahitsio
Fisehaka: (sehoka) a.: Fomba entina misehaka na miaina mafy toy ny olona avy nihazakazaka. Ahitsio
Fisehaseha: (sehaseha) a.: Toetran'ny olona sahisahy, miandranandrana mampiseho avona, mirehareha. Ahitsio
Fisehasehavana: (sehaseha) a.: Fahasahisahiana, fiandranandranana mampiseho avona, fireharehana. Ahitsio
Fiseho: (seho) a.: Toetran'ny zavatra miseho, fomba itrangan'ny zavatra iray: Samy hafa arakaraka ny fisehon'ny aretina ny fitsaboan'ny doko tera. Ahitsio
Fisehoana: (seho) a.: Fanoloran-tena ho hita; Anio no fisehoan'ireo olom-boafidy voalohany, 1 Fanombohana ho hita, ho fantatra: Tsy saro-pantarina ny fisehoan'ny kitrotro eo amin'ny ankizy. 1 Fitrangana, fiposahana: Mahafinaritra ny fisehoan' ny volana amin'ilay takarivan-dohataona iny! Ahitsio
Fisehoka: (sehoka) a.: Fahamaimaika, fahadodona, tika. Ahitsio
Fiselahana: (selaka) a.: Fiendahana isan'elakelany, fisilahana. Ahitsio