Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisava: (sava) a.: Fomba na toetran'ny zavatra misava, miala tsikelikely, misinda. Ahitsio
Fisavana: (sava) a.: Fampihatahana na fanesorana ny zavatra manodidina: Ny fisavana ny ahitra no nahitana ilay vola very. ? Fikarohana, fitadiavana zavatra eny amin' ny tenan'ny olona iray na ao an-tranony: Naharitra adiny iray ny fisavana ireo nahina ho mpangalatra. 1 Fanalana izay zavatra manelingelina: Vao fisavana ranonando fotsiny izao. ? Fialana, fisindana: Fisavan'ny zavona indrindra tamin'izay. ~ Fihenana, fialana: Fisavan'ny aretina izao, hoy ny dokotera, fa aza matahotra. Ahitsio
Fisavasava: (savasava) a. : Fomba, entina misavasava, mana-la na mampihataka izay manelingelina. Ahitsio
Fisavasavana: (savasava) a.: Fanalana na fampihatahana izay manelingelina: Ny fisavasavana ny raviny, hoy ny ohabolana iray, no ahitana ny fotony, Ahitsio
Fisavembena: (savembena) a.: Fomban'ny olona misavembena na mivezivezy, mivoivoy; toetran'ny zavatra misavilivily, mikapilipily. Ahitsio
Fisavembenana: (savembena) a.: Fivezivezena, fisaviliviliana. Ahitsio
Fisavenavena: (savenavena) a.: Toetran'ny zavatra misokatra be, mitanatana, miveraka. Ahitsio
Fisavenavenana: (savenavena) a.: Fisokafana be, fitanatanana, fiverahana. Ahitsio
Fisaveravera: (saveravera) a.: Fomban'ny olona misaveravera, miakanjo mampihanja vatana, ratsy fitafy. Ahitsio
Fisaveraverana: (saveravera) a.: Fiakanjoana mampihanja vatana. Ahitsio
Fisavihana: (savika) a.: Fisarangotana, fifikirana, famikirana: Ny fisavihany ny rantsan-kazo teo amoron-drano no tsy nahafaty an-drano azy, ? Fandraisana (omby) amin'ny tandrony na ny vozony mba hampianjera azy: Kinga izany raha olona amin' ny fisavihana omby! ~ Fihamboana zavatra tsy an'ny tena: Fisavihana fananan' olona fotsiny ny an-dRangahy io. Ahitsio
Fisavika: (savika) a.: Fomba entina misavika, na misarangotra mafy amin'ny tanana. Ahitsio
Fisaviliana: (savily) a.: Fikivf-Iiviliana, fiolahana. Ahitsio
Fisavily: (savily) a.: Fomba na toetran'ny zavatra misavily, mikivilivily. Ahitsio
Fisavoana: (savoana) a.: Fomba na toetran'ny zavatra misavoana na miakatra ambony eny amin'ny habakabaka, misondrotra, midangana. Matetika koa anefa ny hoe "fisavoana" no fampiasa amin' ny hevitra hoe "fisavoanana": a) fiakarana eny amin' ny habakabaka: Ny fisavoanan'ny baolina; b) fisondrotana, fidanganana: Tsy hay lazaina ny fisavoanan'ny vidin-javatra ankehitriny; d) fahalasanana (hevitra) lavitra loatra tsy araka ny toe-javamisy: Asa na izaho no tsy nahazo ny fisavoanan'ny heviny no dia efa tsy anerany! Ahitsio
Fisavoanana: (savoana) a.: Fiakarana ambony eny amin'ny habakabaka; fisondrotana, fidanganana (vidin-javatra); f ahalasanana (hevitra) lavitra loatra tsy araka ny toe-javamisy. Ahitsio
Fisavorovoro: (savorovoro) a.: Fomba na toetran'ny zavatra misavorovoro, tsy milamina, mikorontana, misaritaka. Ahitsio
Fisavorovoroana: (savorovoro) a.: Tsy filaminana, fikorpntanana, fisaritahana. Ahitsio
Fisavovona: (savovona) a.: Toetran'ny zavatra misavovona, miavosa, mifanongoa. Ahitsio
Fisavovonana: (savovona) a.: Fiavosana, fifanongoavana. Ahitsio