Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisasaka: (sasaka) a.: Toetran' ny zavatra mizara roa. Ahitsio
Fisasana: (sasa) a.: Fanadiovantena amin'ny rano, fidiovana. Ahitsio
Fisasarana: (sasatra) a.: Fiasana mafy, famizanan-tena; fisahiranana: Mba raiso re, tomPoko, it? fanomezana kely it9 ho valin'ny fisasamnao. Ahitsio
Fisasasasa: (sasasasa) a.: Faon' ny orana avy na ny rano mandeha haingana amin'ny fikorianany. Ahitsio
Fisasatra: (sasatra) a.: Fomban' ny olona misasatra, mamizan-tena, misahirana. Ahitsio
Fisasiana: (sasy) a.: Fanasiana sasiny, na teny kely mialoha mba hisarihana ny sain'ny olona. Ahitsio
Fisaso: (saso) a.: Fomba entina misaso, izany hoe misafosafo malefaka, manao teny mamy hitsapana ny hevitry ny sasany. Ahitsio
Fisasoana: (saso) a.: Fisafosafoana malefaka; fanaovana teny mamy hitsapana ny hevitry ny sasany. Ahitsio
Fisasy: (sasy) a.: Fomba entina misasy na mandahatra amim-pahakingana mba hisarihana olona. Ahitsio
Fisatasata: (satasata) a.: Fomban'ny olona misatasata na manao zavatra amim-piavonavonana. Ahitsio
Fisatasatana: (satasata) a.: Fanaovan-javatra amim-piavonavonana, Ahitsio
Fisatendro: a.: Karazan-kazo madinika. Ahitsio
Fisatrasatra: (satrasatra) a.: Toetran'ny olona misatrasatra na miaina misefosef o. Ahitsio
Fisatrasatrana: (satrasatra) a.: Fiainana misefosefo: Mampanahiahy ahy izao fisatrosatran'ny marary izao. Ahitsio
Fisatriana: (satry) a.: Fanaovana araka ny sitraky ny fo. Ahitsio
Fisatrohana: (satroka) a.: Fanaovana satroka: Tsy fahalalam-pomba ny fisatrohana ao an-tranon'olona raha mivahiny ao aminy. Ahitsio
Fisatroka: (satroka) a.: Fomba entina misatroka: Mampihomehy ny fisatrok'ilay Rangahy iny fa ny tokony ho eo anoloana no ataony ao aoriana. Ahitsio
Fisatrotrohana: (satrotro ka) a.: Fibinabinahana, fivindimbidinana matevintevina. Ahitsio
Fisatrotroka: (satrotroka) a.: Toetran'ny tarehy sy ny hoditra misatrotroka na mivontovonto matevintevina. Ahitsio
Fisatry: a.: Fomba entina misatry, na manao araka ny sitraky ny fo, saingy tsy fampiasa afa-tsy amin'ny fombampitenenana hoe "fisatry fanahy". Ahitsio