Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisaotra: (saotra) a,: Fomba entina misaotra, mankasitraka. Ahitsio
Fisarangaranga: (sarangaranga) a.: Toetran'ny vehivavy misarangaranga na mahatsiaro marary fa efa mby ho teraka. Ahitsio
Fisarangotana: (sarangotra) a.: Famikirana mafy amin-javatra na olona noho ny tahotra ny hianjera na noho ny tsy fitiavana hisaraka aminy: Tsy hay lazaina, hono, ny fisarangotan'ny olona maty andrano amin'ilay olona mamonjy azy. Ahitsio
Fisarangotra: (sarangotra) a.: Fomba entina misarangotra, na mamikitra mafy amin-javatra na amin'olona noho ny tahotra ny hianjera na noho ny tsy fitiavana hisaraka aminy. Ahitsio
Fisarebahana: (sarebaka) a.: Fitafiana lamba izay arefarefa amin'ny tany. Ahitsio
Fisarebaka: (sarebaka) a,: Fitondrana akanio mirebareba na lamba mitaritarika: Mampihomehy ny mahita ny fisarebah'iretsy uehivavy mpandihy iretsy. Ahitsio
Fisariaka: (sariaka) a.: Fomba entina misariaka na miseho falifaly, miramirana. Ahitsio
Fisarigengena: (sangaingy) a.: Fifanongoavan-javatra miavosa, antontany. Ahitsio
Fisarihana: (sarika) a,: Fisintonana: Ringa erq ny mpanjono amin'ny fisarihana ny harato. • Fandroritana, fitarihana: Fisarihana olona amin' ny sandriny, • Fanintonana: Fisarihana ny sainareo hikendry lalandava zavatra ambony no ilazako izany. - F,-p,: Fisarihana tombola: Fisintonana ny nomeraon' ny tombola mba hahalalana izay mahazo. Ahitsio
Fisarika: (sarika) a.: Fomba entina misarika na manintona, mitarika mandroritra. Ahitsio
Fisaritahana: (saritaka) a.: Fikorontanana: Fisaritahana re izany teo an-tsena tamin' ilay rotaka farany iny! • Fisafotofotoana: Ahoana no hahitana izay taratasinao izay amin'izao fisaritahan' ny bokinao izao! ? Fifaningotsingoran-tady na kofehy tsy hita lany: Jereo it? fisaritahan'ny kofehy: ho very andro foana eo ianao hitady ny laniny roal Ahitsio
Fisaritaka: (saritaka) a.: Toetran'ny zavatra misaritaka na mikorontana, misafotofoto, mifaningotsingotra. Ahitsio
Fisarona: (sarona) a,: Toetran' ny zavatra misarona; mirakotra. Ahitsio
Fisaronana: (sarona) a,: Fiafenana, firakofana ao anaty...: Taloha didy mihitsy tamin' ny tany sasantsasany ny fisaronan'ny vehivavy ao onaty lamba rehefa mivoako. Ahitsio
Fisarongatana: (sarongatra) a,: Fitroarana amim-pahatairana tsy azo tonena, fitroarana amin-katezerana. Ahitsio
Fisarongatra: (sarongatra) a.: Fomba na toetran'ny olona misarongatra, mitroatra amim-pahata¢ana tsy azo tonena, mitroatran-katezerana. Ahitsio
Fisaroro: (saroro) a.: Toetran' ny olona misaroro, izany hoe manangoly na mody adala. Ahitsio
Fisaroroana: (saroro) a.: Fanangolena: Tsy naharitra ny fisaroroan'ny namany izy ka la-sa niara-dratsy aminy. ~ Fodiana adala, famonoana vorona, fandavoana sorera: Ny hafa kokoa angaha, ry Isambilo, fa izaho tsy azon'ise amin'ny fisaroroana na oviana! Ahitsio
Fisasa: (sasa) a.: Fomba entina misasa, midio. Ahitsio
Fisasahana: (sasaka) a.: Fizaranjavatra roa mitovy: Amin'ny fisasahan'ny taona, maous, tsara ny halavan'ny andro sy Fis ny alina. Ahitsio