Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisangazonana: (sangazona) a.: Fihazonana, fifikfrana, Ahitsio
Fisangelohana: (sangeloka) a.: Fisehoana ho hafa noho ny rehetra, fiangentsanana, hakevohana. Ahitsio
Fisangeloka: (sangeloka) a.: Fomba entina misangeloka, miseho ho hafa noho ny rehetra, miangentsana. Ahitsio
Fisangerenana: (sangerina) a.: Fandalovana dia fiverenana indray, fitamberenana; fiverimberenana. Ahitsio
Fisangerina: (sangerina) a.: Toetran'ny zavatra na olona misangerina; na mandala. dia miverina indray, miverimberina. Ahitsio
Fisangodina: (sangodina) a.: Fomba entina misangodina, na milrodinkodina eo an-toerana ihany; fomba entina mivezivezy, mivoivoy. Ahitsio
Fisangodinana: (sangodina) a.: Fihodinkodinana eo an-toerana ihany: Tsy re mihitsy ny fisongodinan'ity tandrimo •Fivezivezéna, fivoivoizana. ¶ M.h.: Fisakodinana. Ahitsio
Fisangoeja: (sangoeja) a.: Toetran'ny olona misangoeja, na latsaka ao anatin'ny fahasahiranana lalina, voan'ny amparapaingo. Ahitsio
Fisangoejana: (sangoeja) a.: Fahasahiranana izaitratra; amparapaingo. Ahitsio
Fisangongo: (sangongo) a.: Toetran'ny zavatra misangongo, mivangongo, mitangorona. Ahitsio
Fisangongoana: (sangongo) a.: Fita>?goronana, fivangongoana. Ahitsio
Fisangorana: (sangotra) a.: Fiotazana vary ka salohy masaka no tsongoina amin'ny ta-nana na tapahina amin'ny antsy. Ahitsio
Fisangotra: (sangotra) a,: Fomba entina misangotra na mioty vary ka ny salohy masaka no tsongoina amin'ny tanana na tapahina amin'ny antsy.l p.t.: Azo sangorina. Ahitsio
Fisantarana: (santatra) a.: Fanaovana na fampiasana na fihinanana zavatra voalohany: Amin'ny alahady no fisantaran'Isambilo ilay akanjo kompile vao nozairina. Ahitsio
Fisantatra: (santatra) a.: Fomba entina misantatra na manao, mampiasa, mihinana zavatra voalohany. Ahitsio
Fisaoka: (saoka) a.: Toetran' ny akanjo misaoka, na misy safiny. Ahitsio
Fisaona: (saona) a.: Fomba entina misaona na mitondra mariky ny alahelo noho ny fahafatesan'ny havana. • P. t,: Azo isaonana: Tsy fisaona, hono, ny zaza rano tsy azo. Ahitsio
Fisaonana: (saona) a.: Alahelo na fahoriana lehibe noho ny fahafatesan-kavana. • Mariky ny alahelo namoy hava-na na olona ambony eo amin'ny firenena izay heverina fa alahelovan'ny ambanilanitra: Betsaka ny zavatra nofadina nandritra ny fisaonana ny mpanjaka fahiny raha nisy mpanjaka niamboho, Ahitsio
Fisaorana: (saotra) a,: Fankasitrahana noho ny soa nataon' ny hafa ny tena na ny zavatra nomen'olona ny tena. Ahitsio
Fisaosao: (saosao) a.: Toetran' ny zavatra misaosao na mamoaka feo mikasaosaoka no-ho ny fahenjanany. Ahitsio