Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisamoimoina: (samoimoina) a.: Toetran'ny zavatra misamoimoina, mamoaka feo mimonomonona. Ahitsio
Fisamoimoinana: (samoimoina) a.: Famoahana feo mimonomonona; fimonomononana. Ahitsio
Fisamonina: (samonina) a.: Fomba entina misamonina, mimonomonona: Ny fisamonin'ny renitantely. Ahitsio
Fisamonterana: (samon titra) a.: Fahatezerana misafoaka, havinirana, fitroaran-katezerana. Ahitsio
Fisamontitra: (samontitra) a.: Toetran'ny olona misamontitra, misafoaka, mitroatrankatezerana. Ahitsio
Fisampazana: na Fisampiana (sampy) a.: Fisaviliana eny am-bozona; fanarahana sampan-dalana, Ahitsio
Fisampotenana: (sampotina) a.: Fisafotofotoana, fisaritahana; fisangodinana, fitambolimbolenana. Ahitsio
Fisampotina: (sampotina) a.: Toetran'ny zavatra misampotina , misangodingodina, mitambolimbolina. Ahitsio
Fisampy: (sampy) a.: Toetran' ny zavatra misampy; misavily eny an-damosina. Ahitsio
Fisanaka: (sanaka) a.: Fomban' ny vava misanaka na misokatra be toy ny an'ny adaladala gaga miiery zavatra mahavariana azy. Ahitsio
Fisanasana: (sanasana) a.: Toetran'ny vava misanasana na misokatra be, mitanatana toy ny hanaikitra. Ahitsio
Fisanasanana: (sanasana) a.: Fisokafana tanteraka (vava) fitanatanana toy ny hanaikitra: Ny fisanasanan'ny vavan'ilay alika ihany dia nahatonga ahy handositra nanao tongotra an-katoka. Ahitsio
Fisandana: (sonda) a.: Fanomezana sandany, na fanampiny amboniny amin'ny varotra. Ahitsio
Fisandohana: (sandoka) a.: Filazana tena ho izao na izao: Betsaka ny olon-dratsy no tratra noho ny fisandohany ho polisy. 1 Fihamboana ho tompon-javatra nefa tsy izy: Voaheloka izy noho ny fisandohany ny tranon'ny rahalahiny. Ahitsio
Fisandoka: (sandoka) a.: Fomba entina misandoka, izany hoe milaza ny tena ho izao na izao na mihambo ho tompon'ny zavatra tsy azy akory. Ahitsio
Fisandrahaka: (sandrahaka) a.: Firantsandrantsanana, fisampantsampanana, fivelaran'ny rantsana betsaka: Mahafinaritra ny fisandrahaky ny ravinaia. Ahitsio
Fisandratra: na Fisandratana (sandratra) a.: Fiakarana, fianihana amin'ny toerana avo, fisondrotana: Mahafinaritra ny mfjery ny fisandratry ny volana eny amin'ny habakabaka. • H.o.: Fiakarana amin'ny kilasy na voninahitra na haja ambony: Matetika ny fisandratry ny olona (ny fisandratan'ny olona) amin' ny voninahitra mahatonga azy hiauonavona. Ahitsio
Fisanehaka: (sanehaka) a.: Fomban'ny olona misanehaka, izany hoe misefosefo sy sempotra. Ahitsio
Fisangaingy: a.: Toetran'ny zavatra misangaingy, miavosa, miavovona, Ahitsio
Fisangazona: (sangazona) a,: Fomba entina misangazona, mihazona, mifikitra; fihazona, fifikitra. Ahitsio