Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisaliadiaka: (saliadiaka) a.: Hamaimaizana, fitaitaizana. Ahitsio
Fisaliana: Fisalisaliana (saly, salisaly) a.: Fihantonana eo ambony fatana. Ahitsio
Fisalobona: (salobona) a.: Fomba entina misalobona na misarona ao anaty lamba. Ahitsio
Fisalobonana: (salobona) a.: Fisaronana ao anaty lamba. Ahitsio
Fisalondona: (salondona) a,: Toetran'ny lanitra feno rahona. Ahitsio
Fisalovana: (salovana) a.: Fomba entina misalovana na mankeo anoloan'ny olona iray manelingelina azy. Ahitsio
Fisalovanana: (salovana) a.: Fipetrahana na fankanesana eo anoloan'ny olona iray; fitsatsaingohana miteny alohan' ny olona na fanapahana ny teniny; fitsofohana na fitsabahana amin'ny raharahan' ny sasany. Ahitsio
Fisaly: Fisalisaly a.: Toetran' ny zavatra misaly, milrantona eo ambony fatana. Ahitsio
Fisamahana: (samaka) a.: Fivakiana misaraka roa: Mora tapahina io hazo io noho ny fisamahany. ~ Fisahanana (raharaha maro): Tsy miss' fotoana hipetrahany mihitsy noho ny fisamahany manao an'itsy manao an'iroa, Ahitsio
Fisamaka: (samaka) a. :Toetran' ny zavatra misamaka na mivaky misaraka roa, Ahitsio
Fisambasamba: (sambasamba) a.: Fomba entina misambasamba, na mirary soa amin' ny fanononana ny teny hoe sambasamba. Ahitsio
Fisambasambana: (sambasamba) a.: Firarian-tsoa zavatra vao miandoha amin'ny fanononana ny teny hoe samba-samba! mba hitohy tsara hatrany. Ahitsio
Fisamboadiana: (samboady) o,: Fitondrana samboady. Ahitsio
Fisamboady: (samboady) a.: Fomba entina misamboady. Ahitsio
Fisamboaravoara: (samboaravoara) a.: Toetran'ny olona na zavatra misamboaravoara, mihetsika mahery mitambolimbolina: Ny fisamboaravoaran'ny ranomasina. Ahitsio
Fisamboaravoarana: (samboaravoara) a.: Fihetsehana mahery ka mahatonga hitambolimbolina; fitroaran-katezerana. Ahitsio
Fisamborana: (sambotra) a, :Fanenjehana: Anjaran'ny polisy ny fisamborana ny mpangalatra. 1 Fandraisana, fibedana: Raharaha be ny fisamborana ilay omby fa saika tsy azo raha tsy latsaka tao an-kady ilay izy. ~ Fangatahana vola na hanin-kohanina amin'olona, izay mbola haverina na hosoloana rehefa misy: Fisamborana ihany ny ahy fa tsy fangatahana akory ka osa raha homenao na tsia, 1 Olona isamboram-bola matetika: Rakoto no mba fisamborako rehefa tsy mana-na aho. Ahitsio
Fisamboritana: na Fisamboritra (samboritra) a.: Fisikinan lamba: Nanome hery ny lehilahy ny nahita ny fisamboritan'ireo vehivavy vonona hitoraka izay fahavalo mitranga. •Fanaovana akanjo vorokitsay, tonta, maloto: Nampalahelo ny nahita ny fisamboritr'izy mianaka kely nandehandeha eran'ny tandna. Ahitsio
Fisamboritra: (samboritra) a,: Fomba entina misamboritra; misikina na mitafY akanjo rovidrovitra. Ahitsio
Fisambotra: (sambotra) a.: Fomba entina misambotra: Mora sarotra ny fisambotra valala fa hoy ny Ntaolo hoe: "Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika". ? p.t.: Azo samborina: Misy vorona tsy fisambotra. Ahitsio