Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisaka: P.t.: Manify, mitapelaka, tsy matevina: Haxo fisaka no anaovana gorodona. I t.i.f.: Fisahina, voafisaka, nofinisaka 1 mamisaka,famisaka, mpamisaka / amisahana, famisahana / mifisaka, fifisaka 1 ifisahana, fifisahana / mahafisaka i mitampisaka. ~ M.h,: Tapelaka, tapesaka, petaka, talesaka, saliaka, sahiaka, tasiaka, tasitasy, tabebaka, belaka, baliaka, mitaivelatra, manify, kararavina, elatr'angidina. * Ohab: Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina: enti-milaza ny fahasarotan'ny fitadiavana ny rariny. Ahitsio
Fisàka: (saka) a.: Fomba entina misaka na mihalotra (foza na orana) amin'ny tanana ao anaty lavany. Ahitsio
Fisakafo: (sakafo) a.: Fomba entina misakafo: Samy ma-nana ny fisakafony ny karazam-pirenena eto ambonin' ny tany. Ahitsio
Fisakafoana: (sakafo) a.: Fihinanana sakafo: Amin'ny 12 ora no fisakafoan'ny kilasimandry. Ahitsio
Fisakaiza: (sakaiza) a,: Fomba entina misakaiza. Ahitsio
Fisakaizana: (sakaiza) a.: Fifankatiavan'ny mpisakaiza: Sarobidy ny fisakaizana fa matetika maharitra mandramaty, Ahitsio
Fisakambinana: (sakambina) a,: Fiaraha-mamindra amin'ny olona iray izay fihinina amin'ny sandrin-tanana avy ao an-damosina ny valahany. Ahitsio
Fisakana: (sakana) a.: Fomba entina misakana. ? p.t.: Azo sakanana. Ahitsio
Fisakàna: (saka) a.: Fakana, fihalorqna (foza na orana) amin'ny tanana ao anaty lavany. Ahitsio
Fisakanana: (sakana) a.: Fanasiana fefy: Nasiana fefy f'tsakanana ny omby eo akaikin' ny lalamby. ? Fandrarana, fampijanonana: Tokony hanao didy henjana fisakanana ny halatra omby ny fanjakana. ? Fanaovana izay tsy hahatanteraka: Tsy misy tsy mahalala ny fisakanon-dray aman-dreniny ny fanambadian'i Soa. Ahitsio
Fisakelehana: (sokelika) a.: Fitondrana (zavatra) ao ambany helika. Ahitsio
Fisakelika: (sokelika) a.: Fomba entina misakelika, mitondra ao ambany helika: Zavatra kely ihany no fisakelika. Ahitsio
Fisakobona: (sakobona) a.: Fomba na toetran'ny olona misakobona; na mirakotra ao anaty lamba. Ahitsio
Fisakobonana: (sakobona) a.: Firakofana, fiafenana ao anaty lamba: Mampahafana ny fisakobonana ao anaty lamba rehefa ririnina. Ahitsio
Fisakodina: (sakodina) a.: Fomba entina misakodina, mivoivoy, mivezivezy, Ahitsio
Fisakodinana: (sakodina) a,: Fivoivoizana, fivezivezena: Tsy misy tsy gaga nahita ny fisakodinan'iny tovolahy iny eran'ny tandna, Ahitsio
Fisalasala: (salasala) a.: Fomba entina misalasala, miroahana, tsy manapa-kevitra. Ahitsio
Fisalasalana: (salasala) a,: Tsy fahatapahan-kevitra: Aleo mihemotra raha mbola misy fisalasalana ao an-tsainao, ? Tsy fitokiana fa marina: Ny fisalasalan'ny mpitsara no nahatonga azy ho afaka. Ahitsio
Fisalehorana: (salehotra) a.: Fahamaikamafkana foana, fiselontselonana amin'ny raharahan'ny hafa: Mahasosotra ahy ny fisalehoranao amin' ny raharahako ka atsaharo masonandro anio. Ahitsio
Fisalehotra: (salehotra) a.: Fomba entina misalehotra, toetran'ny olona misalehotra, na miselontselona amin' ny raharahan'ny hafa, Ahitsio