Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisafy: (safy) a.: Toetran'ny akanjo misy safiny, fanampiny, famenony. Ahitsio
Fisahana: (sahana) a,: Fomba entina misahana na miatrika asa na raharaha maro miaraka. Ahitsio
Fisahanana: (sahana) a.: Fiandraiketana, fiatrehana, famonjena asa na raharaha ma-ro miaraka: Mbola iderako anao ny fisahananao ny asa sarotra iantsorohanao sy ny raharahan-tokantrano vonjenao samy irery, Ahitsio
Fisahato: (sahato) a.: Fomba entina misahato, miozona; fiozona. Ahitsio
Fisahatoana: (sahato) a.: Fanozonana; fiozonana. 1 M.h.: Fanozonana, fanompana, fitsitsihana, fisarikoana, fisahiana. Ahitsio
Fisahiana: (sahy) a.: Fanompana. Ahitsio
Fisahina: (fisaka) mt,ih. (fisaho): Atao tonga fisaka: Mbola fisaho ihany ity hazo it9 fa mbola matevina. Ahitsio
Fisahirana: (sahirana) a.: Fomban'ny olona misahirana. Ahitsio
Fisahiranana: (sahirana) a.: Fanaovana asa mamizana, fisasarana; fanaovana asa manome fiahiana be loatra: Tsy sanatria vidin'ny sakafo narosonareo akory iny vola kely iny fa setrin'ny fisahirananareo, Ahitsio
Fisahotahana: (sahotaka)a,:Fahataitairana sy fisavoritahana, fikorontanana omban-tabataba: Ny loza nianjady, teo rahateo, fa ny fisahotahan'ny vahoaka no tsy hita holazaina. Ahitsio
Fisahotaka: (sahotaka) a.:Fomban'ny olona misahotaka, na taitaitra sy misavoritaka. Ahitsio
Fisahy: (sahy) a.: Fomba entina misahy, manompa. Ahitsio
Fisaihana: (saika) a.: Fisokana ao anaty rano, Ahitsio
Fisaika: (saika) a.: Toetran'ny zavatra misaika, misoka ao anaty rano. Ahitsio
Fisaikena: (saiky) a,: Fanasiana saikiny, solony; fanoloana;fisoloana, Ahitsio
Fisaiky: (saiky) a.: Fomba entina misaiky; misolo. Ahitsio
Fisaina: (saina) a,: Fomba entina misaina, mihevitra: Ny fisainako tsy fisainanareo. Ahitsio
Fisainana: (raina) a.: Fieritreretana: Trano fisainana, 1 Fiheverana: Araka ny fisainan'ny maro, ny asa tanana dia ambany noho ny osa saina, Ahitsio
Fisaingena: (saingy) a,: Fitandremana, fikajiana. fitandrovana ny voninahitra, ny hajan'ny tena. Ahitsio
Fisaingy: (saingy) a.: Fomba entina misaingy na mitandrina, mikaiy, mitandro ny voninahitry ny tena, ny hajan' ny tena. Ahitsio