Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fisabotrika: (sabotrika) a.: Toetran'ny zavatra misabotrika, voambomba tarira, voarotsirotsy. Ahitsio
Fisadika: (sadika) a.: Toetran' ny zavatra misadika na mihodidina ny valahana toy ny salaka: Sarotra ny fiterahan' ilay uehivavy noho ny fisadikan'ny tadim-poitran'ilay zaza nanodidina ny vatany. Ahitsio
Fisadikana: (sadika) a.: Fihodidinana ny valahana toy ny salaka. Ahitsio
Fisafariana: (safary) a.: Fanaovana teny miolakolaka: Lany andro amin'ny fisafariana eo ianao fa tsy ny ventin-dresaha vantanina. Ahitsio
Fisafary: (safary) a.: Fomba entina misafary, manao teny miolaka. Ahitsio
Fisafelehana: (safelika) a.: Fialahana, fiolehana, fihodidinana fa tsy fandehanana mahitsy mivantana. Ahitsio
Fisafelika: (safelika) a.: Toetran'ny zavatra misafelika na mandeha miolaka fa tsy mahitsy: Torovok'amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra (ohabolana enti-milaza fa ny tenin'ny olona mahay mandahatra dia mety hazava ho azy fa ny hevitra miafina fonosiny na ny safeli-teny tiany hatao no tsy fantatra). Ahitsio
Fisafidianana: (safidy) a.: Fakana malalaka izay tiana amin'ny zavatra roa azo ifantenana. Ahitsio
Fisafidy: (safidy) a.: Fomba entina misafidy; na maka malalaka izay tiana amin'ny zavatra roa azo ifantenana. Ahitsio
Fisafo: (safo) a.: Fomba entina misafo, na mampandalo moramora ny tanna eo ambony zavatra iray izany, na mandalo mba hijery ny fandehan-javatra iray. Ahitsio
Fisafoahana: (safoaka) a.: Fahatezerana mitroatra: Nandositra daholo ny mpiasa nahita ny fisafoahan'ilay Rangahy. Ahitsio
Fisafoaka: (safoaka) a.: Hatezerana mafy, fitroatra. Ahitsio
Fisafoana: (safo) a.: Fampandalovana moramora ny tanana eo ambony zavatra iray: Tsy nahateny Ibalita noho ny henatra, fa fisafoana ha-taira no nataony. 1 Fijeren' ny dokotera sy ny mpampivelona ny vehivavy bevohoka: Amin'ny sivy ora nY fisafoana ao amin'ny hopitaly. 1 Fandalovana mba hijery ny fandehan-javatra, mba hanara-maso: Rehefa tonga ny fisafoan'ny lehibe, tonga daholo ny mpiasa rehetra ary miseho ho miasa tsara. Ahitsio
Fisafofohana: (safofoka) a.: Fianjerana; hanjenjenana, hafanina. Ahitsio
Fisafofoka: (safofoka) a.: Fomba entina mianjera amin'ny tany. Ahitsio
Fisafontenana: (safontina) a.: Fihodinana miverimberina, fiverenan'ny efa lasa ka tonga indray. Ahitsio
Fisafontina: (safontina) a.: Toetran'ny zavatra misafontina na mihodina miverina amin' ny nialany indray: Ny fisafontin'ny fahavalo no atahorana. Ahitsio
Fisafotaka: (safotaka) a.: Toetran'ny zavatra misafotaka, na mihosina baba ihany. Ahitsio
Fisafotofoto: (safotofoto) a.: Toetran'ny zavatra misafotofoto, mikorontana sy mifangaroharo: Noho ny fisafotofoton'ny toe-javatra, dia tsy fantatra intsony izay niavian' ny ady. Ahitsio
Fisafotofotoana: (safotofoto) a.: Fikorontanana izaitsizy: Ny fisafotofotoan'ny entana ao an'efitrano no tsy ahitanao ny boky tadiavinao. 1Flfangaroharoana tsy hita harahina fa mifampidipiditra ny lohany sy ny vodiny: Loza ny fisafotofotoan'it9 kofehy tambazako izay mahita ny laniny roa. Ahitsio