Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firosoana: (rosa) a.: Fifindrana eo aloha. Ahitsio
Firotahana: (rotaka) a.: Fanimbana zavatr'olona ho fanehoana tsy fahafaliana. Ahitsio
Firotaka: (rotaka) a.: Fomba entina mirotaka, na manimba zavatr'olona ho fanehoana tsy fahafaiiana. 'Firotehana (rotika) a.: Fisaritahana, fikorontanana, fikorokoroana. Ahitsio
Firotika: (rotika) a.: Toetran' ny zavatra mirotika, na misaritaka, mikorontana, mikorokoro. Ahitsio
Firotoroto: (ro toroto) a.: Fomba entina mirotoroto, izany hoe manao zavatra haingana, na midodododo rehefa manao zavatra. Ahitsio
Firotorotoana: (ro toroto) a.: Fanaovana zavatra haingana, fidodododoana rehefa manao zavatra. Ahitsio
Firova: (rova) ci.: Toetran'ny zavatra voafefy rova. Ahitsio
Firovana: (roua) a.: Fifefena rova. Ahitsio
Firozaka: (rozaka) a.: Toetran' ny zavatra mirozaka, na mihantona mirozaroza. Ahitsio
Firozaroza: (rozaroza) ci.: Toetran'ny zavatra mirozaroza, izany hoe miraviravy misy miramborambo na mihantonkantona betsaka. Ahitsio
Firozarozana: (rozaroza) a.: Firaviravezana misy miramborambo na mihantonkantona betsaka. Ahitsio
Firozatana: (rozatana) a.: Firoridroritana. Ahitsio
Firozatra: (rozatra)a.: Toetran' ny zavatra mirozatra, na miroridroritra. Ahitsio
Firy: p.mnt,: Entina manontany ny isa: Firy ny rantsantananao? / Firy no isan'ny rantsantananao? - t.i.f.: Firina / mifiry 1 mahafiry / fahafiry / impiry, fsnimplrinY 1 firifirY / hafiriana. Ahitsio
Fisabaka: (sabaka) a.: Fomba entina misabaka na mampihataka ny tongotra roa ho malalaka kokoa ny elanelany: Mompihomehy ny fisabakan'io zaza io rehefa mandeha. ~ Toetran'ny zavatra misabaka: Tsy ampy ny fisabakan'ny lafiny roc amin'it9 telolafy it9. Ahitsio
Fisabakana: (sabaka) a.: Fampihatahana ny tongotra roa mba ho malalaka kokoa ny elanelany. Ahitsio
Fisabobaka: (sabobaka) a.: Toetran'ny zavatra misabobaka na mivonto, mibontsin. Ahitsio
Fisabodehana: (sabodika) a.: Fifangaroana, fisaritahana, fifandisoan'ny teny lazaina sy ny zavatra atao. Ahitsio
Fisabodika: (sabodika) a.: Toetran'ny zavatra misabodika, mifangaro, misaritaka, mifandiso be ihany. Ahitsio
Fisabotrehana: (sabotrika) ci.: Toetran'izay voambomba tsara, voarotsirotsy. Ahitsio