Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fironana: (nana) a.: Fihilanana, firaikana, fitongilanana. Ahitsio
Firondrarondra: (rondrarondra) a.: Toetran'ny zavatra mirondrarondra, mirazorazo. Ahitsio
Firondrorondro: (rondrorondro) a.: Toetran'ny zavatra indrindra ny tarehy mirondrorondro, izany hoe mivindimbindina, mihodroho dro. Ahitsio
Firongatana: (rongatra) ci.: Fisehoana indray miaraka. Ahitsio
Firongirongiana: (rongirongy) a,: Di-doha, fikiribibiana. Ahitsio
Firongirongy: (rongirongy) a.: Fomba entina mirongirongy, toetran'ny olona mirongirongy, izany hoe be di-doha, mikiribiby. Ahitsio
Firongo: (rongo) a.: Toetran' ny lamba mirongo, izany hoe misy haingo amin'ny sisiny na amin'ny lohany. Ahitsio
Firongoana: (rongoana) a.: Haingo amin'ny sisin-damba na amin'ny lohany roa. Ahitsio
Firongotana: (rongotana) a.: Fitondrana zavajavatra ma-ro izay mampananosarotra ny tena; fitondrana ankizy kely maro miaraka amin'ny tena. Ahitsio
Firongotra: (rongotra) a.: Fomba entina mirongotra, izany hoemitondrazavajavatra ma-ro izay mampananosarotra ny tena ny fitondrana azy. Ahitsio
Fironjina: (ronjina) a. :Toetran' ny zavatra na olona mironjina, na voatosika. Ahitsio
Firontona: (rontona) ci.: Fomba entina mironton, na mandeha haingana, mihazakazaka dodona. Ahitsio
Firontonana:(rontona) a.: Fandehanana haingana, fihazakazahana dodona. Ahitsio
Firopiropy: (ropiropy) a.: Toetran'ny olona miropiropy, izany hoe mivelona mahantra, fadiranovana. Ahitsio
Firorahana: (roraka) a,: Fiketrahana, figedragedrana; fitambotsorana. Ahitsio
Firoraka: (roraka) a.: Toetran' ny zavatra miroraka, na miketraka, migedtagedra. Ahitsio
Firorika: (rorika) a.: Toetran' ny zavatra miketraka, miborerarera. Ahitsio
Firorirory: (rorirory) a.: Toetran'ny zavatra manify sy malemy. Ahitsio
Firoritra: (roritra) a.: Toetra na fomban'ny zavatra miroritra, izany hoe mihalava raha sintonina. Ahitsio
Firoso: (rosa) a.: Fomba entina miroso, na mifindra eo aloha. Ahitsio