Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Firobana: (roba) a.: Fakana tsy miera. Ahitsio
Firobirobiana: (robiroby) a,: Fiarahana mifalifaly, firavoravoana. Ahitsio
Firobiroby: (robiroby) a.: Fomba entina mirobiroby, izany hoe miaraka mifalifaly, miravoravo. Ahitsio
Firobohana: (roboka) a.: Firotsahana ao anaty rano, fitana. Ahitsio
Firoboka: (roboka) a.: Fomba entina miroboka, na mirotsaka ao anaty rano. Ahitsio
Firobona: (robona) a.:Toetran' ny zavamaniry mirobona, izany hoe maniry midokadoka tsara: Endre izany firobon ' ire to zanakazo! Ahitsio
Firodahana: (rodaka) a.: Fandanilaniana foana, fitobatobana. Ahitsio
Firodaka: (rodaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mirodaka, izany hoe mandanilany foana, mitobatoba. Ahitsio
Firodana: (rodana) a.: Toetran' ny zavatra mirodana, na mianiera, mikoa, mihotsaka. Ahitsio
Firodanana: (rodana) a.: Fianjerana ambony ambany, fikoavana, fihotsahana, faharavaria; fivarinana. Ahitsio
Firodaroda: (rodaroda) a.: Fomba na toetran'ny olona mirodaroda, mandanilany foana, mitobatoba. Ahitsio
Firodarodana: (rodaroda) a.: Ny fandanilaniana foana. Ahitsio
Firodona: (rodona) a: Fomba na toetran'ny biby mirodona, na miaraka mandeha. Ahitsio
Firodonana: (rodona) a.: Fiarahana mandeha, na mihira indraY miaraka, Ahitsio
Firodorodo: (rodorodo) a.: Toetra na fomban'ny olona na biby mirodorodo, izany hoe mandeha maro miaraka ary haingana ka mitabataba be amin'izany. Ahitsio
Firodorodoana: (rodorodo) a.: Fandehanana maro miaraka na mirimorimo ka mitabataba be amin'izany; fiasana haingana mirotoroto, firotorotoana. Ahitsio
Firofatana: (rofatra) a.: Haraorao,hasaosao,faharokoroko. Ahitsio
Firofatra: (rofatra) a.: Toetran' ny zavatra maraorao, marokoroko. Ahitsio
Firofotra: (rofotra) a. : Toetran' ny aretina mibontsimbontsina: Ny firofotry ny bonibony. Ahitsio
Firohana:(rohana) a. :Fomban' ny zavatra mirohana, izany hoe midaondaona any lavitra. Ahitsio